airtel

Fifamoivoizana

09-sept-2024

TAKSIBROSY MIVOAKA ETSY ANDOHATAPENAKA

Mahalany solika 40.000 litatra isan’andro

Sample post image

Mahalany solika 40.000 litatra isan’andro ireo taxi-brousse mivoaka etsy amin’ny tobim-piantsonan’ny

09-sept-2024

taxi-brousse etsy amin’ny Maki Andohatapenaka. Mahatratra 218 ka hatramin’ny 258 isan’andro izy ireo no mivoaka an’Antananarivo ka ireo miazo ny faritra Avaratra andrefana sy Antsinanana no tena maro an’isa indrindra izany hoe : miazo ny lalam-pirenena fahaefatra sy faharoa. Mampiavaka azy ireo raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ny fanarahana ny fenitra napetraky ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety hisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny haavon’ny entana sy ny fanaraha-maso ny fiara mialohan’ny hivoahany ny tobim-piantsonana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fijerena ny taratasin’ny fiara, ny mombamomba ilay mpamily, ny olana ara-teknika mety hitranga… Sehatr’asa mampidi-bola ny asa fitateram-bahoaka tahaka izao amin’ny ankapobeny. Sady manome asa olona maro mantsy izy no afaka mampifandray faritra maro ihany koa amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny tolotra sy ny tinady.
Pati
Legende : Sehatra mampidi-bola ny fampiasana taxi-brousse rehefa fotoam-pialan-tsasatra lehibe tahaka izao !

 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Nanome toromarika ireo mpitondra taximoto any amin'ny kaominina ambanivohitra ny zandarimariam-pirenena

Card image cap
12-sept-2024

Fantatro tsara raha ireo dosie mikasika ny fanamboaran-dalana ary hamafisiko hatrany ny efa

Card image cap