airtel

Fifamoivoizana

29-juil-2024

Taratasy vonjimaika hahafahana mamily

« Misy fitakiam-bola tsy ara-dalàna 7000-20 000Ar eto Antsirabe »

Sample post image

Mitaraina noho ny fanararaotana mitranga ao amin’ny CIM (Centre Immatriculateur)

29-juil-2024

ireo mpiadina afa-panadinana afaka manamory fiarakodia ao Antsirabe. Eo am-piandrasana ny hamoahan'ny fanjakana ny « permis de conduire biométrique », dia terena handoa 7000ar ka hatramin'ny 20.000ar izy ireo ho sandan'ny hanomezana azy taratasy vonjimaika hahazoany mitondra fiara, hoy ny fitarainana voaray. Voalaza fa izany vola takian'ny Lehibe-ny CIM izany, dia hamerenana ny vola nolaniany tamin'ny asa fanarenana sy fampitaovana ny birao nomen'ny Distrika iasan'ny CIM, sy hiantohana ny sandam-pifandraisana rehetra, hoy ny fijoroana vavolombelona. Mampametram-panontaniana ny maro izao fomba fiasan'ny Lehiben’ny CIM izao satria ireo mpiadina ireo dia efa nandoa ny vola rehetra hahazoana ny « permis biométrique », ary mbola takiana vola ambony apanga indray hamerenana ny vola nolanian'ny Chef de centre tamin'ny fanamboarana ny birao hiasany ao amin'ny Distrika, hoy hatrany ny fitarainana. Tsara ny mampahatsiahy, fa tao anatin’ny 5 volana no voalaza fa misy olana ny CIM etsy amin’ny Foibeny etsy Ambohidahy, ka tsy afaka mamoaka « permis de conduire biométrique », hany ka taratasy vonjimaika no lasa ampiasaina ho manan-kery eto amintsika. Dia io fa lasa misy endrika fitakiam-bola tsy ara-dalàna mihoatra ny tokony haloa, raha ny fitarainan’ny olona. Isan’ny miteraka kolikoly sy fitakiam-bola tsy ara-dalàna ny fahasarotana ara-taratasy eto amintsika ka ilàna fanatsarana satria saika hita any amin’ny sehatra rehetr a. Mila ampahatsiahivina ny olona foana ny lalàna, ary ny mpiasa eny amin’ireny sampan-draharaha samihafa ireny dia mpiasam-bahoaka fa tsy hambotry ny vahoaka no nametrahana azy ireny. Andrasana moa izay mety ho setriny sy fanazavana mafonja kokoa avy amin’ny andaniny mikasika ity toe-javatra ao Antsirabe ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap