airtel

Fifamoivoizana

21-mai-2024

TAXI-BROUSSE NIVOAKA NY FARITRA

Nihena tamin’ny fetin’ny Pentekosta

Sample post image

Nihena ireo taxi brousse nivoaka ny faritra talohan’ny fetin’ny Pentekosta teo raha araka ny

21-mai-2024

fanadihadiana natao tetsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana. Raha tokony ho 10 isan’andro izany dia nihena ho 6 . Noho ny fahasahiranan’ny olona amin’ny fiatrehana ny fiainana amin’ny ankapobeny no antony mahatonga izany, raha araka ny fanazavan’ny mpamily iray. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny fialan-tsasatra kely toy ny tamin’ny fetin’ny Paska fa avy hatrany dia miasa sy mianatra avokoa anio Talata 21 May. Na izany aza tsy nitovy tamin’izay kosa ireo niazo an’Antsirabe, Faritra Vakinnakaratra. Na dia tsy nitsangatsangana aza mantsy ny ankamaroan’ireo mpandeha dia marobe kosa ireo lasa nody kely namonjy ny fianakaviany nankalaza ny fetin’ny Pentekosta. Ny 99%-n’ireo mpandeha tonga teny amin’ny Fasan’ny Karana noho izany nanomboka ny Zoma lasa teo dia niazo an’Antsirabe kosa. Somary nanano sarotra noho izany ny fitadiavana taxi-brousse nody teto an-drenivohitra omaly Alatsinain’ny Pentekosta. Nisy ireo nanararaotra nampiakatra saran-dalana noho izany raha tsy nisy sahy nampiakatra kosa ireo nitatitra nidina niazo an’Antsirabe.
Pati
Legende : Sahirana ny olona, tsy nisy nahavita nivoaka ny faritra intsony tamin’ny fety !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap