airtel

Fifamoivoizana

06-juin-2024

Teleferika

Mbola mila fankatoavana ho mifanaraka amin’ny fenitra Eoropeanina

Sample post image

Araka ny efa notaterina teto, dia omaly no nanomboka amin'ny andrana fampandehanana ireo

06-juin-2024

Cabines » 27 isa amin'ny fitaterana an-tariby mandrafitra ny zotra volomboasary, tanterahana hatramin'ny 17 jona izany. Rano tamina "bidon jaune" milanja 700 kg mahasolo olona 10 no napetraka isaky ny " cabine" no nanaovana ny andrana, mba hahafahana manamboarana ny tanjaka " réglage tension" ary hanalefaka ny " câble" araka ny lanjan'ny zotra vita, raha ny nambaran’ny eo anivon’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Heverina ny hidirana amin'ny andrana fampidirana olona anaty " cabine" ny faha 19 sy 20 ny volana jona, araka ny serasera nataon’ny Fanjakana omaly. Hatreto anefa, mijanona ho andrana ihany io fa tsy mbola miditra amin'ny fampandehanana tanteraka ny tetikasa, raha ny fanamarihana. Mila fankatoavana amin'ny fenitra Eropeanina mantsy ny tena fanodinana tanteraka an'ity fitaterana ity raha ny fanazavana nentin'i Gérard Andriamanohisoa, Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana vaovao. Manam-pahaizana manokana hafa ankoatran'ny Orinasa manatanteraka ity fotodrafitrasa ity amin'izao no ilaina hiantsoroka izany ary mbola eo am-pitadiavana izay i Madagasikara amin'izao, raha ny fanamarihana. Toy ny serasera fanaon’ny mpitondra nanamafy ny filàna ary ny fahatsaran'ny fitaterana an-tariby io Sekreteram-panjakana io, ka nilaza fa hiteraka asa ary hameno ny banga sy hanatsara ny fifamoivoizana ny fampandehanana ity tetikasa ity. Nolazaina ihany koa fa mifameno amin'ny " Fiara andalam-by andrenivohitra, ny fiara karetsaka, ny bus ary ny taxi-moto ny fitaterana an-tariby. Ankoatra ny adihevitra teo amin’ny fitrosana vola tsy toko tsy forohana manodidina 153 tapitrisa euros na 800 miliara Ar nanaovana ny tetikasa dia fanontaniana hafa azo hapetraka ny hoe : tena hahaleo ny sarany ve ny vidiny ? Manao ahoana ny fandaniana angovo ao anatin’io ary mbola manampy trotraka izany ny fikojakojana samihafa ? Hanao ahoana ny lafiny aroloza satria atsy La Réunion izao dia mbola tsy miodina noho io lafiny io ? Hezahina hiodina sy hiasa mialohan’ny 26 jona ny teleferika ny serasera natao, saingy mety mbola tsy afaka hitatitra olona ao anatin’io fotoana io izany, raha tsy hoe : mivoaka haingana dia haingana ny fankatoavana. Mbola resaka hafa ny hoe : mifanaraka amin’ny fari-piainana sy ny fahefa-mividin’ny Malagasy ve ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap