airtel

Fifamoivoizana

05-juin-2024

Teleferika, trosa be baben’ny Malagasy

Raikitra indray ny andrana hanodinkodinana saim-bahoaka…

Sample post image

Taorian’ilay andrana natao tamin’ny kalesa na cabines miisa 3 ny 22 mey lasa teo,

05-juin-2024

dia hatao anio alarobia 05 jona amin'ny 8:30 maraina ny andrana fandefasana ireo cabines 27 ho an'ny zotra volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe. Milina mpihary herinaratra manokana efa mipetraka etsy amin’ny Gara Anosy no voalaza fa hampiodinana izany ao anatin'ny andrana fa tsy mbola mifandray amin’ny an'ny Jirama, raha ny seraseram-panjakana omaly. Eo anelanelan'Anosy-Soarano no handeha kosa no handeha ny andrana. Kasaina handeha sy ho tomombana mialohan’ny fetim-pirenena moa io. Tsiahivina hatrany fa 153 tapitrisa Euros na 800 miliara Ar eo no natontona tamin'ny teleferika, izay vola notrosaina amin'ny ankapobeny. Anisan’ny tetikasa nahazoan’ny fitondrana ankehitriny kiana maro sosona, eo anatrehan’ny tsy fahatomombanana manerana ny Firenena, kanefa ny fitondram-panjakana mitrosa volabe tsy toko tsy forohana misoratra amin’ny anaran’ny Malagasy. Karazan’ny haingo ambony tsikoko ho an’Antananarivo raha tarafina amin’ny fikorontanan’ny renivohitra, ny fari-piainanan’ny vahoaka. Mbola azo atao foana ny kajikajy hoe : raha 4000Ar isaky ny mitaingina izany, dia 8000Ar mandroso sy miverina, 40000Ar ao anatin’ny 5 andro, 160000Ar ao anatin’ny iray volana. Efa vita sy natao moa io, dia irariana ny mba hahafahan’ny rehetra misitraka izany satria vola notrosaina tamin’ny anaran’ny Repoblikan’i Madagasikara fa tsy tamin’ny anaran’ny TGV. Ara-teknika sy ara-toekerana, tena hahafoana ny fitohanan’ny fifamoivoizana tokoa ve eo anatrehan’ny tsy firaharahiana ny fanamboarana sy ny fikojakojana ? Ao anatin’ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena no hanaovana ity andrana ity ka toa mampanahy ihany hoe : sao mba hoentina hanodinkodinana saim-bahoaka eo anatrehan’ny mety ho teti-dratsy hanodinkodinana ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana. Mbola resaka hafa ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena maro samihafa izay zary hodiana adala sy hanaovana bemarenina eo anatrehan’ny fanairana sy fampanenoana lakolosy samihafa. Mbola somokotra any amin’ny kajy politika maloto samihafa rahateo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap