manoloana ilay tetikasa Autoroute, kasain’ny Fitondram-panjakana hotanterahina any an-toerana. Mamelona vahoaka marobe mantsy ireo tanimbary nototofana navadika ho lalana hatreto. Etsy an-daniny anefa efa mananika ny 1.000 Ar ny kapoakam-bary, tsy misy akory hoy ireo mponina na dia kely aza ny tantsoroka hoentin’ny Fitondram-panjakana hanampiana azy ireo. Ny fambolena vary anefa no tena hiveloman'ny mponina any an-toerana amin'ny mahatantsaha azy ireo raha ny fanazavana hatrany izay tokony hohampitomboana aza ny tany hamokarana fa tsy sanatria hahena tahaka izao zava-misy any an-toerana izao indray. Tsiahivina moa fa efa amina ha maro ireo tanimbary efa voatototra hatreto. Tsy mbola misy anefa ny fandraisan'andraikitra ataon'ny fanjakana amin'ireo mponina voakasiky ny fanotofana tany amin'ny fanaovana io "autoroute" io koa hanaovan’izy ireo antso avo.
Pati
Legende : Efa voatototra ary vita lalana tahaka izao ny ankamaroan’ny tanimbary ao Talata Volonondry !
Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona