airtel

Fifamoivoizana

03-sept-2024

Tolagnaro

Tojo olana ny sambo iray , olona iray tsy hita popoka

Sample post image

Sambo iray no fantatra fa mitady ho rendrika any Tolagnaro any.

03-sept-2024

MS Iharana no anaran’izy io, sambo mampitohy an'i Toamasina sy Tolagnaro. Tafahitsoka any amin’ny 200 m eo amoron-tsirak' i Amparihy any Firt-Dauphin na Tolagnaro ity sambo ity raha ny vaovao azo omaly Alatsinainy hariva. Miisa 32 ny olona tao anatiny ka ny 11 tamin'ireo no efa afaka tao anatiny raha olona iray kosa no tsy hita popoka izay ahiana ho nanavo-tena koa kinanjo nafoiny hatramin’ny ainy. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola tsy nahomby avokoa ny ezaka rehetra nanavotana ireo olona 21 ambiny. Ratsy dia ratsy mantsy ny toetr’andro any an-toerana no sady mahery vaika ny onja. Efa nidina ifotony nijery akaiky izao tranga izao ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny any amin’iny distrikan’i Tolagnary iny .
Nangonin’i Pati 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap