airtel

Fifamoivoizana

05-juin-2024

Tontolon’ny familiana kodiaran-droa

Hofehezina amin’izay fa mamono olona…

Sample post image

Tsy mety intsony fa tsy maintsy hofehezina amin’izay ny tontolon’ny familiana kodiaran-droa eto amintsika manomboka izao.

05-juin-2024

Raha araka ny fanadihadiana nataon’ny foibe fitsarana fiarakodia mantsy dia ny 30%-n’ireo loza mitranga eto an-drenivohitra dia saika avy amin’ny moto avokoa. Hahafatesana olona hatrany izany amin’ny ankapobeny raha tsy lazaina intsony ireo maratra. Ho an’ireo tratra mamo toaka eo am-pamiliana moa dia fantatra fa tsy hanaiky izany intsony ny tompon’andraikitra fa tsy maintsy handraisana fepetra ho fiarovana ny ain’ny mpamily sy ny olona entiny. Ho an’ireo tsy mahalala lalana indray dia hohampianarina sy hanaovana fanentanana izy ireny indrindra fa ny mikasika ireo moto ilana taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia sokajy A ho an’ireo latsaky ny 125 cc. Hisy moa ny festival lehibe hokarakarain’ireo mpitia moto rehetra eto an-drenivohitra ny datin’ny 03 sy ny 04 Aogositra ho avy izao hahafahana mifehy ity tontolo iray ity.
Pati
Legende : Ny moto matetika no mitera-doza eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap