airtel

Fifamoivoizana

30-juil-2024

TSARASAOTRA IVATO

Mpitondra moto maty tsy tsa-drano

Sample post image

Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa na ny moto eto amintsika.

30-juil-2024

Taorian’ilay tranga teny Ambohitrimanjaka ny faran’ny herinandro teo dia nahitana izany koa teny Tsarasaotra Ivato afak’omaly Alahady 28 Jolay hariva. Maty teo noho eo vokatr’izany ilay mpitondra moto, izay voalaza ho nifandona tamina fiara kely iray. Andro alina no nifanenan’izy ireo hoy ny loharanom-baovao azo ka sady potika ny lohan’ilay fiara no potika ihany koa ny vatan’ilay moto. Ankoatra ity farany dia mbola nitrangana lozam-pifamoivoizana ihany koa teny amin'ny sampanana mankany Anosy Avaratra tamin’io afak’omaly hariva io ihany. Mbola moto sy fiara tratra hariva ihany koa no nifandona tamin’izany. Na izany aza tsy nisy ny namoy ny ainy. Mihoatra ny iray kosa ny naratra.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay moto sy fiara nifandona !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap