airtel

Fifamoivoizana

21-sept-2023

Zotran-dalamby FCE

Lamasinina iray nivadika, 3 naratra

Sample post image

Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.

21-sept-2023

Tao Tanakidy, kaominina ambanivohitr’Ambatrahazo, distrikan'i Manakara no nitrangan’izany raha araka ny vaovao azo, fiaran-dalamby izay saika handeha ho any Fianarantsoa. Olona miisa telo no naratra mafy vokatr’izany raha tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha araka ny loharanom-baovao moa dia vokatry ny fahanteran'ny lalamby misy eto amintsika no niteraka ny loza ka anisan’izany io ao Tanakidy io. Nisitaka tamin'ilay lalamby mihitsy mantsy io lamasinina io ka nivadika. Ahiana hatrany araka izany ny hisian’ny loza tahaka izao raha tsy mandray ny andraikiny ny Fitondram-panjakana. Hihazakazahana mafy indray mantsy tato ho ato ny famelomana ireo zotran-dalamby eto amintsika saingy ny mahavariana na ny fikolokoloana ireo foto-drafitrasa efa nisy teo aloha aza tsy misy, antony niteraka izao loza mahatsiravina izao. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa ireo olona telo naratra ireo hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Nivadika tahaka izao ilay lamasinina vokatry ny fahasimban’ilay lalamby !
 

Dans la même rubrique

23-sept-2024

Tsy mitsahatra maka olona ny lalam-pirenena voalohany. Olona roa no indray lasibatra ny faran’ny herinandro

Card image cap
18-sept-2024

Nihaona tamin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy notarihin’ny Minisitra Rafidison Richard Theodore sy ireo mpiara-miasa aminy ny Delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina omaly.

Card image cap
18-sept-2024

Mpitondra kodiaran-droa miisa 2 no indray niara-namoy ny ainy tany Antsirabe, Atsimon’Ampihaviana,

Card image cap
18-sept-2024

Tsy mitsitsy intsony ireo mpitandro ny filaminana manao fidinana ifotony mitily ny tahan’alikaola anatin’ny vatan’ireo

Card image cap
18-sept-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin’ny Fokontany Mahatsinjo,

Card image cap