airtel

Finoana

01-juil-2024

Depiote Mily sy Rtoa Lalatiana R.

Nampihaonin’ny hetsika ara-pinoana

Sample post image

Notanterahina omaly lahady 30 Jona 2024 ny fandraisana ny Filoha Sinodaly vaovao,

01-juil-2024

ny mpitandrina Atoa Andriamihajamahaleo Josoa Ernest sy ny birao ary ny sampana rehetra ao anatin’ny Sinodam-paritany Andrefana Atsimon’Ankaratra Miara-dia amin’ny fiangonana FJKM. Sady nomarihana omaly ihany koa ny jobily faha-20 taona naha-mpitandrina azy, araka ny vaovao navoakan’ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrafy omaly. Niavaka tao anatin’ny fampitam-baovao ny fahitana azy sy ny depiote Ramilison Nomenjanahary niaraka tamin’ireo Raiamandreny am-panahy satria samy nanatrika ny fotoam-bavaka. Fotoana ihany koa nitokanana ny « gradin » Sehatra maitso-Sekoly FJKM tao Ambohimahatazana Faratsiho nangatahan’ny Komity mpanomana ity fotoan-dehibe tolo-tanana taminy ny fanamboarana azy, izay nambaran-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy fa noraisiny an-tanana manontolo tam-pitiavana sy am-panetretena, ary ho azon’ny mpianatra amin’ny Sekoly ampiasaina foana koa amin’ny hetsika ara-kolontsaina na ara-panatanjahan-tena izay karakarainy. « Nanatrika ny fotoana ny solombavambahoakanay aty Faratsiho, nahafinaritra fa niaraka nitokana taminay ny toerana izy, mba nahita hoe tahaka izao izany miasa ho an’ny vahoakan’i Faratsiho izany. Satria ny soa fianatra e! Mbola maro be rahateo ny zava-bitanay aty Faratsiho aty mila tokanana ka ny antenaina dia mba ho afaka hanotrona hatrany izy amin’ny maha-solombavambahoaka azy. Ny hampivoarana ity disitrika ity no tanjona », hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Maneho izany Ramatoa minisitra teo aloha sy ny depiote voafidy fa misy ny « fair-play » ary misy fanehoana manokana fa niasa sy nahavita asa maro ka dia tiana haseho sy ho fantatr’ity solombavambahoaka vao lany ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

Card image cap