airtel

Finoana

25-juil-2024

Dr Bernardin Rabarijaona

«Tsy mari-toerana amin’ny finoany ny gasy»

Sample post image

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

25-juil-2024

ny Dr Bernardin Rabarijaona, dia tiako ny manamarika fa tena mbola mitoetra ary manan-danja eto Madagasikara ny fivavahana nentim-paharazana. Misy ambaratonga miisa 3 izy io, hoy izy, dia ny finoana ny zanahary, izay misy itovizana amin’Andriamanitra fa ny zanaharintsika dia raha voasana ny teny dia hoe «za-», mpanao, sy ny hoe «nahary». Io zanahary io izany no namorona ny zava-drehetra. Tsy vitan’ny famoronana io zanahary io eo amin’ny finoana nentim-paharazana fa mandrindra izy. Mandamina izy. Izy no mametra ny fiainan’ny tsirairay amin’ny alalan’ny asa. Matoa ianao tonga eto dia tsy tongatonga foana fa misy adidy tsy maintsy tanterahinao. Misy asa. Izay no mahatonga ny malagasy manao hoe teraka ho isan’ny vintana, avy amin’ny teny hoe «kintana». Ny kintana dia hita eny amin’ny habakabaka ary mamaritra ny maha izy azy ny tsirairay. Io vintana na kintana io no mamaritra ny maha izy azy ny tsirairay eo amin’ny malagasy. Faharoa dia mino ny hasin’ny razana ny malagasy. Ny razana no tanjona. Tsy mijanona ho maty ny malagasy fa raha maty izy dia tsy maintsy atao izay hahatongavany ho razana. Ny dikan’izay dia misy fombafomba na «rite», hoy ny teny frantsay, izay tsy maintsy atao. Ohatra, mamono omby, fiaretan-tory, fikarakarana ny fasana sy ny rehetra. Ny fahatelo dia hoe mino ny hasin’ny zavaboahary ny malagasy. Inoany izany fa io zavaboahary tsirairay io, voalohany amin’izany ny olombelona, ny biby, ny zava-maniry sy ny hafa rehetra dia manan-kasina ka mahatonga azy hiteny hoe ny sobika aza manan-tandrify. Izay no taloha dia mihazakazaka amin’izay ny tantara. Tonga ny vahiny. Taonjato faha 7 dia efa tonga ny arabo sy ny be dia be. Ny taonjato faha 19 no nahatongavan’ny finoana Kristianina izay nampidirin’ny misionera anglisy avy amin’ny LMS. Ny malagasy dia tia vaovao saingy tsy adinoiny ny maha izy azy. Manjary misy izany fifangaroam-pinoana. Alahady izy mivavaka any amin’ny eglizy, ny fiangonana sy ny tariny fa ny an-davan’andro izy tsy afa-po satria tsy misy valim-bavaka eo noho eo dia lasa izy manompo ny zanahary, ny razana, ny zavaboahary dia izay ilay heverin’ny sasany hoe manompo sampy. Eo indrindra no olana. Tena mandavo sy manaitra azy ny zava-baovao entin’ny vahiny saingy mialohalo ao an’eritreriny foana hoe izaho malagasy. Manana ny finoako nentim-paharazana aho dia ampifanambadiany ireo. Makorelim-pinoana ny malagasy, hoy isika. Marina izany. Tsy hita intsony ilay finoana tena mafy orina fa mandeha atsy izy, mandeha aroa. Porofon’izany ny hoe misy androany FJKM, rahampitso izy katoliaka, rahafakampitso Miara-manompo. Tsy afa-po tsinona izy. Tsy voavaly ny filàny. Vokany, tsy mari-toerana amin’ny finoany ny gasy. Sao ianao eto Antananarivo dia mahita ireo fiangonana marobe? Antananarivo tsy Madagasikara. Madagasikara, ny malagasy dia olona mifikitra amin’ny natiora. Ny hita maso aloha. Mitaiza azy io hita maso io, hajainy io mba hahafahany miampita any amin’ny tsy hita maso dia ny hoe ho lasa razana. Ny razana no hoe andriamanitra kely afaka mitondra fahasoavana sy mitahy ka tsy miheritreritra hanangon-karena izany ny gasy fa ny tena ao an-tsainy dia hoe ahoana no ahombiazako amin’ny fiainana hita maso mba hahatonga ahy ho razana hiarovako sy hitahiako ny manodidina ahy, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique