Dr Bernardin Rabarijaona. Mihazakazaka, hoy izy, ny fanabeazana sy fitaovam-panabeazana dia lasa sempotr’izay isika. Na tiantsika na tsia dia tsy afaka hijanona hikombona isika. Tsy maintsy mandray ny an’olona saingy tsy voafehintsika ny an’olona fa variana manenjika eo isika dia mampifanambady. Hita amin’ny fivavahana izany. Ny teny mahalaza azy dia ny hoe fampifangaroam-pivavahana na «syncrétisme». Hafangaro daholo izay heverina fa mahasoa rehetra. Misy akony amin’ny fiainam-pirenena io fampifangaroam-pivavahana io satria fantatr’ilay tompom-pivavahana hafa fa mora voarebireby ny gasy. Araraotiny ampiasana ny gasy izay. Hanoroany vohana azy. Aza adinoina fa tamin’ny fanjanahantany dia nanjaka ny fanjanahan-tsaina ka ny hamotehana ny kolontsaina malagasy no nataon’ny mpanjanaka. Tsy misy gasy mitety harena izany fa ny filozofian’ny malagasy dia ny hoe antonony. Rehefa mahazo ny antonony isika dia faly. Miara-paly ny fianakaviana, tsy misara-mianakavy. Rehefa izay dia tanjony ny hoe ahoana no hahatongavany ho razana hitsinjovany ny velona. Raha ny marina izany dia tsy misy izany gasy hoe mitady harena ho lasa mpanefoefo izany. Ny mahafaly azy dia ny manana trano 8 zoro, manana tanimbary be mba hahavelona tsy misy rahoraho. Fady amin’ny malagasy ny mivarotra tany. Ny ranomasina no valam-parihiko, hoy i Andrianampoinimerina. Tsy paikady fanitaram-panjakana akory izany. Ilay manasaraka tanimbary iny no atao hoe farihy. Ny paikadin’Andrianampoinimerina tamin’izany no dikany dia hoe mba hihitatra manerana ny nosy manontolo ny tanimbary, izany hoe, ho voky ny malagasy. Tsy mila harena izany izy fa ny vahiny tonga no nandresy lahatra handray ny mena miraviravy. Vokany, manjary diso lalana ny maro amin’ny olona dia mangalatra, mamono olona, manendaka mba hahazo harena. Amin’ny finoana malagasy anefa dia ho foana ny harena azo avy amin’ny alahelo. Variana manenjika izay hahafahana mampifangaro fivavahana ny malagasy, hany ka tsy mihevitra ny hoe ahoana no hahatonga ho mpanankarena na mpanefoefo. Tsy mahagaga, noho izany, raha mahantra amin’ny fiheveran’ny olona azy ny malagasy. Amin’ny lafiny azo tsapain-tanana dia mahantra tokoa ny malagasy. Misy tsy misakafo, tsy mitafy, tsy mitoetra amin’ny trano tsara saingy rehefa mahavaly ny filàny io dia faly izy. Raha misy olona iray lasa tafita amin’ny fiainana ao anaty fianakaviana dia sintoniny hiverina. Izay amin’ny malagasy no atao hoe fitovian-tantana. Ny fitovian-tantana dia ny fihavanana na «fifampitondrana ho toy ny havana». Ny teny hoe «havana» dia mifanakaiky amin’ny hoe «kambana», izany hoe iray kibo, iray aina. Tanjon’ny malagasy, noho izany, ny hoe mitovy tantana ny rehetra, mifampitondra toy ny mpihavana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija