airtel

Finoana

25-juil-2024

FANDRINDRAM-PITERAHANA

Tsy ankasitrahan’ny Fiangonana Vahao ny Oloko

Sample post image

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

25-juil-2024

vehivavy ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana. Tsy hankasitrahan’ny Fiangonana anefa izany amin’ny ankapobeny noho izy ireo mino sy manaraka ny tenin’Andriamanitra voalaza ao anaty Baiboly. Ho an’ny Fiangonana Vahao ny oloko tarihin’ny Pastera Heritiana Randriarimalala ohatra dia nambarany fa ny fiangonana mihitsy aza no mamporisika ny mpino mba hiteraka. Izahay mantsy mino hoy izy fa rehefa tena mivavaka ny olona dia Andriamanitra no mitahy sy mamelona ny zaza teraka fa tsy ny Ray aman-dReniny. Fitaovana nataon’Andriamanitra fotsiny ireto farany. Mikasika ny fanjakana manokana dia notsindriany fa izay angamba no heveriny fa lalana hahafahana miady amin’ny fahantrana dia izay no antony hanatanterahany izao politikam-panjakana izao.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

Card image cap