manjaka ny herisetra sy ny tsi-fandriampahalemana. Manginy fotsiny ny tsy fanajana ny lalam-panorenana ary ny fanodinana izany ho amin'ny tombontsoan'olombitsy », hoy ny FFKM nandritra ny Komity Foibe faha-46 tany Morondava, ny herinandro teo. Nahitsy ity rafitra ity nilaza fa fanahy mbola velona ny maro ary eo ireo mitsoaka matanjaka mankany ivelany, na hamoizana hatramin'ny aina aza. Nitondra fampaherezana noho izany ny FFKM eo anatrehan’ny zava-manjo ny vahoaka sy ny Firenena. Miantso rehetra mba hanaja ny aina, ka tsy hifamono sy hifandripaka na eo aza ny fahasahiranana satria avy amin'Andriamanitra ny aina. Nohamafisina fa toherin'ny FFKM izay endrika fitaomana ho amin'ny fanalan-jaza. Miantso ny rehetra ihany koa hanaja sy hikolo ary hiaro ny tontolo iainana izay tontolo ivelomantsika sy mamelona antsika. Manamafy ny FFKM fa manohitra ny fanambadian'ny mitovy fananahana. Momba ny fahamarinana, notsipihina fa maro ny fitarainana noho ny fisian'ny kolikoly mihoa-pampana amin'ny sehatra maro eto amin'ny firenena. Miato ny fanampiana sy ny fahatokisan'ny mpamatsy vola ka miteraka fiantraikany ratsy eo amin'ny fiainan'ny vahoaka. Manao antso avo ny FFKM mba iainana ny fahamarinana satria ny « fahamarinana no manandratra ny firenena ». Mahakasika ny fiharian-karena sy ny asa ary ny sosialim-bahoaka, mampitaraina ny maro ankehitriny, satria miantraika amin'ny fiainana andavanandro sy ny tontolon'ny fihariana, ny fahatapahan'ny jiro sy rano lavareny, ka nanairana ireo tompon’andraikitra mba hamerina ho amin'ny laoniny haingana ny mahakasika izany. Momba ny fanajana ny zo haneho hevitra, zo fototra ao anatin'ny lalampanorenana ny fahalalahan'ny tsirairay maneho hevitra ao anatin'ny fanajana ny lalana. Mamerimberina tsy tapaka ny FFKM ny hanajana izany. Isaoranay ny ezaka rehetra izay efa natao sy atao ary mbola ho ataonareo mpitondra fanjakana, amin'ny famahana ireo trangan'olana izay nambara etsy ambony, hoy hatrany ny FFKM. Naneho ny fahavononany hifampidinika sy hifanolotanana aminareo mpitondra, sy ny hery velona rehetra, ho fanatsarana haingana ny fiainam-bahoaka sy ny fiaraha monina noho izany ny FFKM, ka niantso fampitsaharana ny fifampihantsiana samihafa. Nanasonia ny fanambarana niraisana ny Pastora Dr. RAKOTOZAFY Denis Filohan'ny FLM, Mgr RAOELISON Jean de Dieu Filohan'ny EKAR, Mgr RANARIVELO Samoela Jaona Filohan'ny EEM, Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina Filohan'ny FJKM.
Toky R