airtel

Finoana

06-sept-2024

Fiangonana FLM

Voafidy ho Filoha fanindroany ny Pastora Dénis Rakotozafy

Sample post image

Voafidy fanindroany ho Filohan’ny FLM (Fiangonana Loteranina Malagasy

06-sept-2024

mandritra ny 4 taona ny Pastora Rev Dr Rakotozafy Dénis, araka ny fifidianana natao tany Taolagnaro omaly. Nahazo vato 399 tamin’ny mpifidy 518 izy nandritra ny fihodinana voalohany, ka lany avy hatrany satria tratra ny 2/3 ka nahavoafidy mazava ity Filoha am-perin’asa ity. Izy ihany koa moa no Filohan’ny FFKM sy ny FFPM am-perin’asa amin’izao fotoana izao. Raha hiverenana kely ny voka-pifidianana, dia 399 ny vato azon’ny Dr Rakotazafy Dénis, Dr Andrianjaka Olivier 104, Pastora Gilbert 9, Pastora Kotobesoa 8 Patsora Fidy 1, Parstora Takidy 1. Synoda 3 ihany koa no notsofin-drano omay tany Taolagnaro dia ny SP Onive sy SP Menagnara ary SP Betsiboka, raha ny vaovao avy tany an-toerana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

Card image cap