airtel

Finoana

21-août-2024

FIANGONANA VAHAO NY OLOKO

Hampifoha an’i Madagasikara

Sample post image

Hampifoha ara-panahy an’i Madagasikara ny Fiangonana Vahao ny Oloko, tarihin’ny Pastera Hery Tiana Randriarimalala.

21-août-2024

Ezahin’izy ireo ny hametraka fiangonana isaky ny kaominina manomboka izao hahafahana manatanteraka izany. Nivoitra izany nandritra ny kongresy tanterahin’ity fiangonana ity eny amin’ny sampana misy azy eny amin’ny By Pass nanomboka afak’omaly Alatsinainy 19 Aogositra. Niditra tamin’ny andro faharoa izy ireo omaly Talata ka anisan’ny nohamafisin’ny Pastera Hery Tiana ihany koa ny fanofanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny fiangonana mba hivoatra manaraka ny toetr’andro ny fomba fiasan’izy ireo nefa koa mifanaraka hatrany amin’ny tenin’Andriamanitra. Mikasika ilay Grand defi hotanterahin’ny Fiangonana amin’ny Sabotsy 24 Aogositra ho avy izao eny amin’ny Coliseum Antsonjombe moa dia nambarany fa ny hampahafantarana ny olona ny herin’ny fivavahana no tena tanjona ka tsy hitenitenenan’ny sasany foana tahaka ny hoe : ny fivavahana tsy azo hanina….
Pati
Legende : Pastera Hery Tiana Randriarimalala, nitarika ny kongresy omaly !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

Card image cap