airtel

Finoana

14-août-2024

Fitoriana ny filazantsara lehibe

Hitety faritra 13 ny « Mandresy Madagasikara »

Sample post image

Raikitra ny « Mandresy Madagasikara » fitoriana filazantsara lehibe ho an’ny Malagasy rehetra

14-août-2024

izay miditra amin’ny andiany faharoa amin’ity taona ity, izay nampahafantarina ofisialy omaly tetsy amin’ny Pho Resto Ampasamadinika. Hetsika ara-pinoana izay karakarain’ny VDFI na Vondrom-bavaka Dian’ny Finoana izay Vondrom-bavaka tsy miankina amin’ny Fiangonana, tsy miankina amin’ny politika, fa fikambanan’olon-tsotra resy lahatra amin’ny fitoriana ny Filanzantsara izy io. Niorina ny taona ny taona 2002, ka ny iraka ataon’ny VDFI dia hitory Filazantsara ho an’ny Malagasy rehetra, hoy i Vahatriniaina Rakotomalala Mpitarika ny VDFI. Anisan’ny asa fitoriana lehibe niaingany ny hetsika « Mandresy » izay tao Imeritsiatosika, ary niitatra ho « Mandresy Madagasikara » taty aoriana, tao anatin’ny 2 taona. Miara-miasa amin’ny artista evanjelika amin’ny alalan’ny talenta sy fahasoavana nomen’Andriamanitra azy ireo, ary rehefa miangona ny olona dia amin’ny alalan’ireny hira sy fanentanana ireny no hitoriana ny Filazantsara. na ireo mpanakanto aza nomarihina fa tsy hanao fampisehoana ny làlan-tsaina hitondrana azy, fa tena hitory filazantsra. Mampiavaka ny « Mandresy » dia maimaimpoana, ary nezahina foana izany tao anatin’ny 21 taona. Tsy hisy vidim-pidirana ny hetsika rehetra hatao, fa rakitra no hotatazana, fandraisana anjara amin’ny asam-pitoriana ary tsy maninona na tsy manome rakitra aza, hoy ny mpikarakara.

TOERANA 13 HISY FITORIANA SY VAVAKA HO AN’NY FIRENENA
Manomboka ny zoma 16 aogositra hatramin’ny alarobia 21 aogositra, dia tanàna 13 eo misandrahaka manerana ny Nosy. Any Sambava dia ny Tarika Anjavelogno no hanao ny Mandresy, Mahajanga : Tarika Fefy, Tanjombato : Nart'son sy Rija Rakoto, Imeritsiatosika: Rija Rasolondraibe, Ankadinondry : Groupe Evangelique Shalom (hira Gasy), Manakara : Joseph d’Af sy Mihira’All for Jesus na M4J, Faratsiho : Groube Ba Madagascar sy Miaramilan’i Jesosy, Antsirabe : Rija Rasolondraibe sy The Singers of Jesus, Ambositra : Mialy Rakotomamonjy, Morondava : Gasy Tsara Midera sy Mitony, Brickaville : Rojo Ny Avo, Maurice : CMJ. Hisy ny vavaka isan-tsokajiny ho an’ny Firenena sy ny Malagasy rehetra, ary tsy misy baiko na avy aiza na fa mahatsiaro ho manana adidy sy andraikitra eto amin’ny Firenena.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique