airtel

Finoana

29-juil-2024

FJKM teny Antsahamanitra

Mpitandrina 147 sy mpampianatra 58 no navoaka

Sample post image

Fotoan-dehibe ho an'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

29-juil-2024

Fjkm) ny omaly alahady 28 jolay 2024 satria nanatanterahana ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo mpiasa vaovao ho an'ny taona 2024. "Andiany Miray" no navoaka tamin'ity taona ity izay ahitana Mpitandrina 147 sy Mpampianatra 58.Ny Filohan'ny mpiandraikitra foibe Fjkm, ny Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina no nitondra ny hafatr'Andriamanitra tamin'izany izay nozarainy 3. Lohahevitra voalohany ny hoe sarobidy amin'i Jesoa Kristy ny firaisan'ny fiangonany. Faharoa ny hoe andao isika hiara mivavaka amin'i Jesoa ho amin'ny firaisan'ny fiangonana ary lohahevitra fahatelo farany ny hoe meteza isika ho valim-bavaka ho amin'ny firaisan'ny fiangonana. Tanjon'ny fiangonana ny fiombonan'ny mino ao amin'i Jesoa Kristy ka tsy adino ny mivavaka ka ny mpino dia ohatra velona, vavolombelon'ny valim-bavaka ho amin'ny firaisan'ny Fiangonana. Hanabe voho ny fitoriana ny filazan-tsara amin'ny sehatra misy azy sy ny fanomezam-pahasoavany tsirairay avy ireto mpiasan'ny fiangonana navoaka omaly teny Antsahamanitra ireto.
Nangonin'i RTT
Sary : Fifaliana Trimozafy

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

Card image cap