airtel

Finoana

23-oct-2023

Hetsiky ny mpitondra fivavahana

“Tonga ny fotoana tsy maintsy hijoroana”

Sample post image

Ny taona 2009, hoy ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana na HMF no nahenoanareo anay voalohany,

23-oct-2023

nampahatsiahy ny tantarany tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga ny sabotsy teo. Nandeha ny fifidianana ny taona 2013, hoy izy ireo. Ny 2018 nisy ilay hetsiky ny depiote 73 nefa hitanay hoe tena fifandaminana ara-politika fotsiny dia tsy niditra hatrany izahay. Ankehitriny kosa dia tonga ny fotoana tsy maintsy hijoroana. Tsy hoe ahiana ho krizy ankehitriny ny firenena fa tena efa anaty krizy lalina. Ahiana ho mafy kokoa izany krizy izany satria efa mitranga etsy sy eroa ny tsy fahamarinana sy ny fifampikasihan-tanana sy fifamonoana. Tsy mpanao politika fotsiny no voakasika fa manomboka voakasika ny vahoaka sy ny fahamarina. “Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ary ataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako”, hoy ny teny ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Estera 8: 6. “Ity ny andro voatendrin’i Jehovah. Mitsangàna, mihazavà fa tonga ny fahazavanao!” Salamo 148: 18a.” Tsy afaka hitazam-potsiny ny toe-draharaha ny HMF fa mijoro am-pitiavana indray ankehitriny handray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena sy olon’Andriamanitra. Manohitra ny tsy fahamarinana ny HMF. Manohitra ny tsy rariny sy fampahoriana rehetra eto amin’ny firenena. Manameloka ny hetsika rehetra mampanjaka izany satria ny fitiavana tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana. Miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, hoy ny I Kor 13:6. Mampahery sy mandrisika ny finiavan’ny rehetra hikatsaka fahamarinana sy hiroso amin’ny fifampidinihana izahay hiadanan’ny vahoaka. Miantso ny vahoaka hijoro amin’ny fahamarinana satria ny fahamarinana no manandratra firenena, hoy ny Ohabolana 14:34. Miantso ny rehetra hitandro mandrakariva ny fihavanana mba tsy ho latsaka anaty ady an-trano. Miantso ny mpitandro filaminana, zandary, polisy, tafika hijoro hampanjaka ny fahamarinana, rariny, hitsiny satria manangasanga ny krizy lalina hampiainana fahababoana ny malagasy efa tena latsaka an-katerena raha toa ka tsy voasoroka mialoha izany. Manentana ny mpisehatra rehetra hiroso amin’ny fifampiresahana sy dinika an-databatra boribory ho fampanjakana ny fahamarinana ho fiadanan’ny vahoaka malagasy. Hanatanteraka fotoam-pivavahana ho fangatahana fanavotana ny firenena izahay ny alarobia izao eny Antsahamanitra manomboka amin’ny 2 ora sasany ary hanasana ny rehetra. Tsy mora ny miady amin’ny fanjakan’ny maizina. Ny atao hoe maizina dia firosoana mankany amin’ny tsy fahamarinana na kolikoly. Laharana faha 186 any isika izao amin’ny ady amin’ny kolikoly, raha tsy diso izahay. Tokony hijoro hiady amin’izany ny olompirenena rehetra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitondtra hafatra ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana (Justice et Paix)

Card image cap