airtel

Finoana

15-sept-2023

Kristianina mandinika raharaham-pirenena

“Tokony raràna ny fitondrana finday rehefa hifidy!”

Sample post image

Misy tsy milamina matoa misavorovoro toy izao ny firenena, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana.

15-sept-2023

Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-misy eto Madagasikara rehefa dinihina, hoy izy. Miahiahy ny CENI sy HCC ny rehetra. Tokony hipetraka ny marimaritra iraisana mikasika ny mpikambana ao. Azo atao ny hoe manendry mpikambana mety aminy ao ireo kandida miisa 10 satria ny hita izany izao dia olon’ny kandidam-panjakana no mameno ao. Ampy foana ny fotoana handaminana rehefa tena vonona ny mpanao politika sy ny rehetra. 2 andro io dia voalamina rehefa tena vonona ny mpanao politika sy ny rehetra. Tsy dia voaresaka amin’ny mba hisian’ny fifidianana mangaraharaha sy hisorohana ny kolikolim-pidianana na fividianana safidy ny hoe tokony tsy azo atao ny mitondra finday rehefa hifidy! Ajanona aty ivelany ny finday fa tsy entina anaty trano fisainana. Akan-drizalahy sary iny dia hita eo izay olona voatsipika dia lasa misy mividy izany ny zon’ny olona tokony mifidy. Tokony raràna ny fitondrana finday rehefa hifidy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique