airtel

Finoana

06-mars-2025

Kristianina mandinika raharaham-pirenena

«Tsy fanaovana «récupération politique» ny fahavoazan’ny vahoaka»

Sample post image

Misy rivo-doza mandalo eto Madagasikara isan-taona, hoy ny Kristianina mandinika

06-mars-2025

raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, fa tsy hoe zava-baovao akory izany na hoe sambany misedra izany ny fitondràm-panjakàna ankehitriny. Natao tsy maintsy hiomana amin’izany, hoy izy, izay mpitondra rehetra mifandimby eo. Misy koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara amin’ny famonjena ireo traboina ary isan’ny famatsiana azo hatrany izany menaka, fotsimbary, lay, vedety hamonjena ireo olona anaty rano sy ny tahaka izany. Tsy natao hanaovana «récupération politique» na fampisongadinana eo amin’ny lafiny politika sy ireharehana ny fahavoazan’ny vahoaka fa isaorana avokoa ireo miara-misalahy amin’ny andro sarotra toy ireny. Ny vahaolana maharitra andrasana dia hoe ahoana no tsy hiverenan’ny toy ireny intsony? Tokony iomanan’izay fitondràna ifandimby rehetra eto amin’ny firenena izany. Eo ny fanabeazana ny olompirenena tsy hanarinary ny lotony eny rehetra eny ka hanentsika ireo tatatra sy lalan-drano samihafa dieny maina ny andro. Lasa asa maika sy andavan’andro eto ny famahana olana rehefa tonga ny fahavaratra raha toa ka dieny mbola tsy fahavaratra izany dia efa vahana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique