airtel

Finoana

03-mai-2024

Mgr Rakotoasimbola Clément Herizo

Notendrena ho evekan’i Maintirano

Sample post image

Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’i Maintirano ny Monseigneur Rakotoasimbola Clément Herizo,

03-mai-2024

raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Avy ao amin’ny fikambanana Pères Missionnaires de Notre Dame de la Salette, vikera delege ho an’ny administratera apostolikan’ny diosezin’i Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso, Ambohimanga Rova, Sabotsy Namehana, Diosezin’Antananarivo no fiaviany. Ny taona 1999 hatramin’ny 2002 izy dia nandranto fianarana Filozofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro, Antananarivo. Ny taona 2005 hatramin’ny 2008 izy no nanao Teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny Faliarivo, Antananarivo. Ny 18 septambra 2008 dia niditra tao amin’ny Congrégation des Missionnaires de Notre Dame de La Salette. Ny 2008 sy 2009 no nanao «Stage pastoral» na niza-draharaha amin’ny maha pretra sy «postulat» tao amin’ny Centre spirituel Antsahasoa. Ny 2009 sy 2010 izy no novisy tao Antsahasoa. Ny 17 septambra 2010 no nanao voady voalohany tao Antsahasoa. Ny taona 2010 hatramin’ny 2012 no nanohy fianarana Teolojia «second cycle» na dingana faharoa tao amin’ny UCM nahazoana ny «Master en Ecritures Saintes». Ny taona 2012 sy 2013 dia nitohy ny «Stage pastoral» tany Ankavandra. Ny 2013 sy 2014 ny «Stage pastoral» tany Mandoto. Ny 2014 sy 2015 izy dia «Junioriste» tany Antsahasoa. Ny 26 jolay 2015 no nanao voady mandrakizay tany La Salette France. Ny 18 septambra 2015, nohamasinina ho diakra tany Antsahasoa. Ny taona 2015 sy 2016 no nanao «Stage diaconal» tany Ankazomiriotra. Ny 30 jolay 2016, nohamasinina ho pretra tany Antsahasoa ny traikefa pastoraliny. Ny taona 2016 hatramin’ny 2019 izy dia Provizoran’ny Lycée Saint Michel Ankazomiriotra sady vikeran’ny distrika. Ny taona 2019 hatramin’ny 2024 dia «Curé» na pretran’ny distrikan’Antsalova. Ny taona 2021 hatramin’ny 2023 izy dia «Curé» tao amin’ny distrikan’Antsalova sady vikera jeneralin’ny diosezin’i Maintirano. Ny taona 2023 hatramin’ny aprily 2024 teo kosa izy dia «Curé» an’ny distrikan’Antsalova sady vikera delegen’ny administratera apostolikan’ny diosezin’i Maintirano, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Toy ny isan-taona dia nisy ny hafatra krismasy 2024 avy amin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Card image cap