airtel

Finoana

01-juil-2024

Pasitera Mailhol-

Antenimierampirenena « Any amin'ireo tsy miankina 52 ny baolina »

Sample post image

Sambany teo amin'ny tantaram-pirenena ny fahamaroan'ireo depioté mahaleo tena

01-juil-2024

hiditra eny amin'ny lapan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza eny taorian'ny fivoahan'ny voka-pifidianana ofisialy navoakan'ny HCC farany teo iny! Miisa 52 izy ireo raha 22 kosa ny an'ny Firaisan-kina mpanohitra ary 83 ny Irmar. Voka-pifidianana politika handehanana any amin'ny fitoniana ny fahitan'ny Pasitera Mailhol iny voka-pifidianana solom-bavambahoaka iny koa nisaotra manokana ny CENI sy ny HCC ny tenany nahatafavoaka izany tao anatin'ny filaminana tsy nisy korontana. Amin'ny ankapobeny hoy ny Pasitera Mailhol dia hita ho samy afa-po na ry zareo antokon'ny fitondrana na ny mpanohitra indrindra ireo tsy miankina ka na dia nisy aza ny indro kely nambaran'ny kandida sasany tamin'iny fifidianana iny dia tsy nisy nitabataba hatreto. Fa ny nanaitra dia ny fahabetsahan'ireo kandida mahaleo tena lany hoy izy,matoa ny olona nifidy azy ireo fa tsy mpanao politika dia mety efa manomboka leo mpanao politika angamba ny mpifidy noho ny fanaon'izy ireo tsy dia nitsinjo vahoaka loatra ka tsy niantraika mivantana tamin'ny sosialim-bahoaka isan-tokatrano ny asany. Ho an'ny Antenimieram-pirenena dia nivantana ny Pasitera Mailhol nilaza fa any amin'ireo depioté mahaleo tena ny baolina manomboka izao.Izy ireo no hamaritra ny fifandanjan-kery sy ny maro an'isa. Izay maharesy lahatra azy ireo no tompon'ny tanjaka eny Tsimbazaza na ny vondrona parlemantera Irmar izany na ny vondrona parlemantera mpanohitra.Mety hitobaka arak'izany ny vola ankoatran'ny fifandresen-dahatra am-bava.Tokony hijoro amin'ny foto-kevitra nifidianan'ny vahoaka azy anefa ireo depioté mahaleo tena mba tsy hamadika ny mpifidy azy ireo toy ny hita nahazatra hatrizay hoy hatrany ny Pasitera Mailhol.
Pati
Legende : Pastera Mailhol Filohan’ny Fikambanana Apokalipsy manerantany !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

Card image cap