airtel

Finoana

16-oct-2024

PASTERA HERITIANA

RANDRIARIMALALA Mifona amin’ny 02 ora maraina isan’andro mivavaka

Sample post image

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

16-oct-2024

Maro ireo mifoha amin’ny 05 ora maraina mba hanenjehana ny asa aman-draharaha saingy misy ihany koa ireo mifoha alohabe noho izany. Ho an’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko ohatra dia mifoha amin’ny 02 ora maraina isan’andro izy mivavaka hiatrehany ireo adidy miandry azy mandritra ny tontolo andro.
Fa inona moa no tena tsiambarantelon’ilay vavaka maraim-be isan’andro Pastera ?
Ny vavaka no manome hery ahy amin’ny zavatra hataoko rehetra. Ny fametrahan-tanana, ny fahagagana hataon’Andriamanitra amin’ny olona izay raisiko sy manantona ahy dia avy amin’ny herin’ny vavaka avokoa. Rehefa tsy mivavaka Pastera dia tsy misy olona sitrana izany. Ahoana no hanohizan’ny Pastera ny fandaharam-potoana aorian’izay ? Miomana aho miala ao an-tokantrano dia mandeha mamonjy fivoriana any am-piangonana. Ny anay mantsy ny trano fivavahana Vahao ny Oloko dia mivoha isan’andro. Vao tonga aho dia mandamina ny raharaham-piangonana. Toraka izany koa ny pastera sy ny fiangonana rehetra manerana an’i Madagasikara. Tsy latsa-danja amin’ireo ny famahana ny olan’ireo mpiandraikitra sy mpanompon’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana.
Mandray olon-kafa ihany koa ve Pastera isan’andro ?
Eny tena mandray olon-kafa mihitsy aho isan’andro. Rehefa avy mivory aho dia mivavaka ho an’ireo oloma manana olana tonga manatona ahy. Mametra-tanana sy manao delivrance ihany koa mba hivoahan’ny devoly ho an’ireo izay mila izany. Toraka izany ny fanomezana toro-hevitra sy ny resadresaka hifanaovana raha toa ka misy tsara ho fantatra. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fanaovana fandaharana amin’ny Radio sy televiziona hitoriana ny tenin’Andriamanitra hanavotana fanahy maro. Amin’ny firy zany Pastera vao tafody amin’ny hariva ? Tsy voafetra intsony ny ora fodiako. Mbola miatrika ny fandaminana ireo mpiara-miasa ao amin’ny foibe ihany koa mantsy ny tenako rehefa tapak’andro hariva izay vao miverina mamonjy ny tokantrano indray.
Pati
Legende : Izy no Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko !

 

Dans la même rubrique