airtel

Finoana

20-sept-2023

Sampana Sekoly alahady SPAA10

Hankalaza an'Andriamanitra noho ny jobily volafotsy

Sample post image

Mitohy hatrany ny fankalazana an' Andriamanitra noho ny jobily volafotsy ny Sampana Sekoly Alahady

20-sept-2023

Synodamparitany Antananarivo Andrefana. Ny sabotsy 23 septambra no atao ho fisaorana an’Andriamanitra amin'ny IVO ny fankalazana ny faha-25 taona ny jobily sy ho Fanokafana ny taom-pianarana Sekoly Alahady 2023-2024 ho an' ny Sampana Sekoly Alahady Synodamparitany Antananarivo Andrefana hotanterahina ao amin'ny FJKM Ambatolampy fahazavana Ambohitrimanjaka manomboka amin'ny 9 ora sy sasany, raha ny fampahafantarana. Hitory ny tenin'Andriamanitra ny Prezida Synodaly SPAA10 Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo, Mpitandrina. Araka ny nambaran'ny Filohan’ny Komity jobily volafotsy Andrianalimanana Rivonjato dia tsangambaton'izao fankalazana izao ny fampitaovana informatika ny Birao ny Sampana Sekoly Alahady eny amin'ny ivotoerana eny Ambohibao sy fampitaovana rehefa misy ny fihaonan' ny Sampana toy ny fiofanana, fihaonam-be ary fivoriana. Teny faneva entina hankalaza izao jobily volafotsy izao moa dia ny tenin' Andriamanitra manao hoe "Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela..." Isa 58.12a.
Nangonin’I Toky R
Légende: Andrianalimanana Rivonjato, Filohan’ny Komity jobily volafotsy Sampana Sekoly alahady SPAA10
 

Dans la même rubrique