airtel

Finoana

05-sept-2024

TE HO AFAKA VA IANAO ?

Hetsika ahitana ny fiombonan’ny Fiangonana rehetra

Sample post image

Hotanterahina eto amintsika amin’ny datin’ny Zoma 06 Septambra ho avy haharitra 03 andro ilay hetsika

05-sept-2024

Te ho afaka va ianao ?” hiarahana amin’ireo mpitondra fivavahana miisa 3 avy any ivelany ny Evanjelistra Alejandro Arhas, Dr Stephane Mutua izay evanjelistra ihany koa ary ny Evanjelistra David Herzog Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly ka nambarany nandrirra izany fa anisan’ny hampiavaka ity hetsika ity ny fiombonan’ny Fiangonana rehetra misy sy ny firaisan-tsain’ny Mpino tsirairay avy. Koanferansa lehibe no hisantaran’izy ireo izany amin’io rahampitso Zoma 06 Septambra io raha hitohy amin’ny vavaka fanafahana eny amin’ny Coliseum Antsonjombe izany ny Sabotsy 07 sy ny Alahady 08 Septambra samy hanomboka amin’ny 02 ora folakandro. Tanjon’izy ireo ny hanafaka ny olona amin’ny gejan’ny satana maro samihafa arahin’ny fanasitranana ny marary sy ny famahana ny olana maro isan-karazany.
Pati
Legende : Ireo Evangelistra miisa telo hitarika ny fotoana !

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

Card image cap