airtel

Finoana

27-févr-2025

Tonia SAMPATI Foibe FJKM

«Tsy afa-misaraka ny fiangonana sy ny Firenena»

Sample post image

Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany, hoy ny avy eo anivon’ny Sampana mpanazava sy tily

27-févr-2025

eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na Sampati FJKM, izay manana vina manao hoe «Sampati hetsi-panabeazana ho fampandrosoana ny fiangonana sy ny firenena!». Isaorana ny Tompo, hoy ny tonia Sampati foibe FJKM, ny Mpitandrina Jean Jacques Séraphin Johns Randriamanantenasolo, fa tontosa soamantsara ny zaikabe faha 9 natao tany Morondava ny 24 hatramin’ny 26 septambra 2024 iny. Tanteraka koa, hoy izy, ny komity foibe voalohany natao tao amin’ny Akany Avoko Ambohidratrimo ny 14 sy 15 febroary 2025. Vita ihany koa ny fanokafana amin’ny fomba nasionaly ny taom-piasana 2025 ny tolakandron’ny alahady 16 febroary lasa teo. Manoloana ny fotoan-tsarotra nolalovan’ny firenena araka ireny tranga ara-boajanahary tamin’ny alalan’ny firotsahan’ny orana ka nahatonga fiakaran’ny rano sy ny tranga samihafa ireny dia natao voalohany ny vavaka satria izany no manampy ny fanomezan-kery ny mpiara-belona. Ny mpanazava sy tily eto Madagasikara kosa dia efa mandray andraikitra mandrakariva amin’ny fiatrehana izay mety ho mila vonjy. Hitantsika izany tamin’ireny fanehoana an-tsary tamin’ny fitaovan-tserasera sy fifandraisana ireny. Tsy mitazam-potsiny ny Sampati. Indraindray moa izahay manao fanamiana maha skoto, indraindray tsy voatery hanao izany. Vao haingana isika no nanamarika ny andron’ny mpamorona ny skotisma na ny 22 febroary. Manao asa soa, manao asa fiantrana no ataon’ny skoto rehetra rehefa tonga io daty io hanamarihana fa misy izy. Izany no mahatonga azy manao folara na any amin’ny toeram-piasany sy ny birao misy azy rehetra any hatreny an-dalana eny. Ny mpianatra aza moa dia manao toy izany koa. Ny Sampati FJKM manokana dia nanapa-kevitra tamin’ity, satria sabotsy tamin’ity ny 22 febroary, hanao asa soa ho an’ity tranoben’ny foibe FJKM eto Analakely ity. Manangona izay foin’ny mpikambana rehetra izahay izao mba hanatsaràna ilay sorabaventy manambara hoe foibe FJKM ity trano ifanomezantsoa ity ka hamerina ny lokony hiverina ho tsara amin’ny alalan’ny fandokoana. Toy ny nataonay tamin’ny taon-dasa dia nandoko ny rihana faha 5 sy faha 6 ivelan’ny foibe. Tsy afa-misaraka ny firenena sy ny fiangonana na oviana na oviana eto Madagasikara. Ny olona avy ao amin’ny fiangonana ihany no ho tomponandraikitra eo anivon’ny firenena. Ilain’ny firenena, noho izany, ny fanabeazana sy soatoavina Kristianina. Ao anatin’izany ny fifankatiavana sy fiombonana, indrindra, ny fijerena ireo mila vonjy. Ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao izany no tokony asehontsika malagasy. Eo koa ny fahatsiarovan’ireo heverina ho manana fahefana ny maha masina izany maha tomponandraikitra azy eo amin’ny firenena izany, na olom-boafidy izy na olom-boatendry. Aoka hanao ny asany am-pahamarinana sy am-pahitsiana mba hiadanan’ny vahoaka! Antson’ny soratra masina ny hoe «Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!», hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique