airtel

Finoana

15-nov-2024

Tontolon’ny finoana

MANDALO ETO NY PASTERA DENIS MORISSETTE

Sample post image

Mandalo eto amintsika Pastera Denis Morisette mivady avy any Canada manam-pahaizana

15-nov-2024

manokana momba fanasitranana anaty sy ny fifandraisana manasitrana. Mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo any ivelany sy mpanao kaonferansa iraisam-pirenena izy io ka ankoatra ny anjara biriky entiny ho an’ny mpino amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra lehibe azy dia hizara maimaim-poana izay fahaiza-manaony izay ho an’ny rehetra koa izy. Raha araka ny fanazavan’ny Pastera Aintsoa Razafimandranto izay mpiara-miasa aminy mantsy dia anisan’ny sakana tsy hahafahan’ny olona iray na ny mpino mandroso amin’izao ny fisian’ny ratra anaty. Voakasik’izany ireo namoy zanaka na olon-tiana, ireo nisara-panambadiana….Lasa sarotra hiaraha-monina izy ireny, kizintina….ka ilana fanasitranana mba hahafahany manao dingana vaovao indray eo amin’ny fiainana. Anio Zoma 15 Novambra manomboka amin’ny 05 ora hariva araka izany no fotoana voalohany hiarahana amin’ny Pastera Denis Morissette ao amin’ny hotel Colbert Antaninarenina, tsy hanavahana finoana. Amin’ny fiteny Frantsay iray manontolo ny fotoam-pivavahana sy fampianarana amin’izany. Hitohy ao amin’ny Roxy Antaninarenina izany rahampitso Sabotsy 16 Novambra manomboka amin’ny 09 ora sy sasany maraina raha afaka rahampitso Alahady 17 Novambra kosa no fotoana farany izay hatao ao amin’ny Roxy Antaninarenina ihany saingy manomboka amin’ny 03 ora sy sasany folakandro kosa. Tanjon’ity hetsika ity moa ny hanampiana ireo mpino mba handroso amin’ny fiainana raha toraka izany ihany koa ny fampitana ilay fomba fiasa vaovao eo anivon’ny fiangonana. Rehefa avy nametrahan-tanana sy noroahina devoly mantsy ny mpino iray dia tsy maintsy tsaboina koa ilay ratra anaty ao anatiny izay lasa mitoetra mba tsy hanimba ny fiainany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpanao gazety omaly teny Ambohijatovo !

 

Dans la même rubrique