airtel

Finoana

05-sept-2023

Tontolon’ny finoana

Nanamarika ny faha 53 taona ny FLMN

Sample post image

Nifarana ny alahady teo ny fanamarihana ny faha 53 taonan’ny fiangonana loteranina malagasy nohavaozina na ny FLMN

05-sept-2023

tao Ambohimandroso, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. 4 andro no nanamarihana izany ary nofaranana tamin’ny fotoam-pivavahana lehibe izay efa fanao isan-taona amin’ilay antsoina hoe fankalazana isan-taonan’ny synodam-paritr’i Vakinankaratra. Hetsika maro no nentina nanamarihana ity faha 53 taona ity, hoy ny fanazavana. Teo ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo afa-panadinam-panjakana sy fifaninanana ara-panatanjahantena. Teo ihany koa ny fitokanana ny foiben’ny fiangonana. Tanjona ny fanitarana ny fiangonana izay manana lavany mirefy 33 sy sakany 16 metatra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Samy manana ny fomba hiatrehany ny tontolo androny ny olombelona tsirairay avy.

Card image cap