airtel

Humour

22-nov-2023

Fianakaviamben’ny artista

Niray fo amin’ny fahalasan’i Ninie Donia

Sample post image

Naneho fiaraha-miory teo anatrehan’ny fahalasanan’ny mpanjavavin’ny salegy Ninie Donia

22-nov-2023

ny Fianakaviamben’ny mpanakanto omaly, izay nihaona teto Antananarivo. Tsy misy mahalala afatsy Ninie sy ny tsirairay izay fifandraisana sy ifanampiana fa anio kosa dia miara ory amin'ny fianakaviana ny fianakaviam-ben'ny artista iray tsy mivaky sy ho fanehoana ny firaisan-kina, hoy ireo. Nandefa hafatra, fa miara-miondrika amin’ny fianankaviana any Nosy Be, ka nitondra ny teny fampaherezana sy fampiononana. « Nisy aminay ireo no niara-niriaria tamin’i Ninie Donia, fa ankehitriny dia nilaozany ny tontolonay mpanakanto,… Mangina nilaozanay izahay ranabavy, mandria am-piadanana ianao », hoy i Dama nisolo tena ny rehetra. Niara-niredona ilay hira malaza nahafantarana an’i Ninie Donie hoe : «Malilo malilo » izy ireo avy eo nentina nanomezam-boninahitra sy nahatsiarovana manokana azy. Taorian’izay dia nisy ny tsipaipaika nataon’izy ireo ho faho-dranomaso, ary naneho fa handefa solontena hanome voninahitra ny vatana mangatsiakany ny mpanakanto. Rahampitso no handevenana an’ity mpanakanto ity, raha ny fandaharam-potoana voafaritra.
Toky R


 

Dans la même rubrique