airtel

kolontsaina

27-juin-2024

15 taona nahalasanan’i Michael Jackson

Hanao hetsika fahatsiarovana ry Mandresy JBoys

Sample post image

Feno 15 taona katroka ny 25 jona 2024 teo ny nahalasanan’ilay mpanjakan’ny mozika Pop, Michael Jackson.

27-juin-2024

Hanao hetsika fahatsiarovana ity andrarezina iraisampirenena teo amin’izany mozika izany ity, araka izany, ry Mandresy JBoys sy ny ekipany. Mandresy JBoys moa na Ratiaholison Mendrika Ny Mandresy dia ilay tovolahy malagasy 28 taona mahavita maka tahaka tanteraka ity mpanjakan’ny Pop ity na eo amin’ny lafiny feo izany na eo amin’ny fomba fihirana hatramin’ny fandihy. «Legend never dies» na hoe tsy maty mandrakizay ny andrarezina moa no teny filamatr’ity tovolahy ity sy nambarany fa antony goavana manosika hamelo-maso hatrany ny kanto rehetra navelan’izany Michael Jackson izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique