airtel

kolontsaina

30-janv-2024

Andriana Robert Randrianatoandro

« Taona tsara ho an’i Madagasikara ny 2024 »

Sample post image

Naneho ny fahitany ity taona vaovao 2024 ity ny Raiamandreny

30-janv-2024

ara-drazana no sady mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina Randrianatoandro Robert. Miavaka ity taona 2024 ity amin’ny ankapobeny raha oharina amin’ireo taona rehetra tao anatin’ny 300 taona raha ny nambarany. Ny antony hoy izy dia mizara roa ny isa nampitondraina ny taona. Ny taona tsy miova fa ny isa nampitondraina azy no miova ka ny isa 2024 dia misaraka roa mazava tsara amin’ity taona ity fa tsy mitambatra. Misaraka ny heviny sy ny fiantraikany eto an-tany hoy hatrany izy. Ny 2000 dia mifandray amin’ny siansa raha araka ny fanazavany, ilay 2000 taona taorian’ny nahaterahan’i Kristy. Ilay 24 kosa raha ho an’i Madagasikara manokana dia notsindriany fa tena manana ny maha-izy azy. Mifandray mivantana tamin’ny famoronana nataon’ireo siantifika lehibe teto an-tany momba ny 1 andro misy 24 ora mantsy izany. Raha ara-pinoana indray hoy izy dia misy fiandrianana 24 isa any an-danitra izay hipetrahan’ireo olo-masina 24 isa koa. Ho an’i Madagasikara dia teto Imerina no nametrahana ny tendrombohitra 12 isa izay misy ny hasim-piandrianana 12 isa koa napetraky ny mpanjaka Andrianampoinimerina, ka raha hatambatra dia manome ilay isa 24. Misy fiantraikany eto Madagasikara ihany koa noho izany ireo zava-masina 12 mitazona ny hasim-piandrianana ireo. Ny fisian’ireo no miteraka tsikelikely ny firaisam-pirenena, raha ny nambarany hatrany. Misy ireo olona avy amin’ny faritra hafa nampakarina hifehy ireo faritra 12 ireo. Ho an’Ambohimanga ohatra dia nambarany fa misy ny mpanjaka Antemoro avy any Vohipeno mifehy azy noho izy anisan’ireo tendrombohitra 12 isa. Tena sambatra izay tokantrano hanana zaza teraka amin’ity taona 2024 ity hoy hatrany Randrianatoandro Robert satria ny hasin’ny fiandrianam-pirenena no miara-teraka aminy eo.
Pati
Legende : Randrianatoandro Robert, Raiamandreny ara-drazana no sady mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina !
 

Dans la même rubrique