airtel

kolontsaina

30-août-2024

Famoronana lamaody manaja tontolo iainana

Vehivavy miisa 29 no voafantin’ny masoivoho amerikanina

Sample post image

Vehivavy miisa 29 voafantina avy any amin’ny faritra samihafa no nahavita fiofanana naharitra 3 herinandro momba

30-août-2024

ny famoronana lamaody maharitra sy manaja tontolo iainana tamin’ny alalan’ny tetikasa «Metamorphose» izay tohanan’ny masoivoho amerikana, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Nahazo fiofanana momba ny tekinika tena ilaina amin'ny famoronana lamaody tompon'andraikitra izy ireo, hoy ny fanazavana. Anisan’izany ny fanodinana ny akora efa niasa, ny fanaovana lasitra fanjairana sy petakofehy ary ny fandrariana rafia. Nianatra ireo fahaiza-manao ilaina hahombiazana eo amin’ny sehatry ny lamaody maharitra ihany koa izy ireo. Manomboka amin'ny dingana samihafa amin’ny famoronana andiana fitafiana ka hatramin’ny fametrahana mari-pamantarana an’ireo asa famoronana sy ny fampisehoana izany. I Yvette dia vehivavy tia manao «crochet» hatramin’ny faha 8 taonany ary tonga manokana teto an-drenivohitra avy any Fandriana hanatrika ny fiofanana. Tonga teto aho hanatsara ny fahaizako manao «crochet» na haizaitra ary hianatra tekinika vaovao amin'ny alalan'ny fiofanana momba ny fandrariana rafia, hoy izy. Anisan’ireo mpandray anjara ihany koa i Ravaka ary nilaza hoe: “Avy amin’ity atrikasa ity no nahafantarako hoe hataoko inona amin’izay ireo tavoahangy plastika notehiriziko? Avadiko ho firavaka tsara tarehy misy rafia izany.” Nanazava i Eva Lambà, iray amin’ireo mpampiofana momba ny lamaody no sady maintimolalin’ny programa fifanakalozana tohanan’ny governemanta amerikana, fa ny lamaody tomponandraikitra dia tsy mifototra fotsiny amin’ny fampiharana fa amin’ny akora sy ny olona miasa eo amin’izany sehatra izany koa. Ny Metamorphose dia tantanin’ireo mpandraharaha 7 mianadahy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody izay nandray anjara tamin’ny fandaharan’asa International Visitor Leadership Program na IVLP ny taona 2020, fandaharan’asa tohanan'ny departemantam-panjakana amerikanina. Tanjon’ny Metamorphose ny hanairana ny sain’ny olona momba ny fiantraikan'ny indostrian'ny lamaody amin’ny tontolo iainana sy hanohana ny fandraharahan’ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny famoronana lamaody ary hampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpandraharaha maintimolalin’ireo programa vatsian’ny governemanta amerikanina vola. Ny tetikasa Metamorhose, izay natomboka ny volana jona lasa teo, dia nahitana andiana valan-dresaka sy fampiratiana, hetsika filatroana iray ary atrikasa maromaro momba ny fahalalana fototra momba ny famoronana lamaody maharitra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-5 taona nisiany ny Tarika Reko Band amin’izao.

Card image cap
20-nov-2024

Tafakatra 230 isa ireo zaza sahirana ahian’ny ONG Tsaramanasoa eny Ambavahaditokana Itaosy

Card image cap
19-nov-2024

Noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly i Filamatra Matokia

Card image cap