airtel

kolontsaina

03-juil-2024

Fampandrosoana miainga avy eny ifotony

«Fototra azo iaingana tsara ny atao hoe Kianja maitso»

Sample post image

Rafi-piarahamonina hita eny amin’ny tontolo ambanivohitra hatreto ny antsoina hoe Kianja maitso,

03-juil-2024

hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha sady mpitarika ny hetsika Sakaizan’ny Kianja maitso, Gérard Ramamimampionona. Misy trano miisa 20 na 30 dia tena mifanaraka hoe andao isika tena hiara-monina fa tsy hoe hiara-hipetraka toy ny seza sy latabatra fotsiny dia tsy misy fifandraisana, hoy izy, fa miara-monina, miray aina, miray fiainana, mifanampy, mifanome saina, mifanohana amin’ny zava-drehetra mba hisian’ny fiainana ny fihavanana, ny firaisankina hahafahana mampandroso ary miara-miaina tanteraka. Rehefa alalinina bebe kokoa izany ilay Kianja maitso dia rafi-kolontsaina enti-miara-monina mba hahafahana mifanome tanana amin’ny lafiny rehetra. Tsy hoe rehefa misy fahavoazana na fahafatesana ihany izay vao misy hoe fihavanana na rehefa misy ady ihany fa iainana amin’ny andavan’androm-piainana ny fihavanana ao anaty Kianja maitso. Na ny resaka fikolokoloana ny tontolo iainana, ny resaka raharaham-panjakana, ny resaka asam-pamokarana, ny resaka fahadiovana, ny fametrahana fandriampahalemana, ny sehatra rehetra dia mampilamina izany. Tao amin’ny kaominin’Andriambilany no nahitana izany voalohany. Kaominina manana fokontany miisa 9 io dia ao ambanin’ilay fokontany no mipetraka ilay Kianja maitso. Mety fokontany iray mizara Kianja maitso miisa 2 na 3 na 4 arakaraky ny halehibeny sy fifandaminana ary teny ierana ifanaovan’ny rehetra. Miainga avy amin’ny fo sy toe-tsaina maha malagasy mandala ny fihavanana, raha ny tena izy, io Kianja maitso io. Ny any ambanivohitra no tena hita mitazona kokoa izay maha malagasy antsika izay ka miaina izay Kianja maitso izay dia izay no tena zava-dehibe. Miainga amin’ilay finiavana, na avy amin’ilay mponina io na ilay mpitondra isan’ambaratonga. Isan’ny tenin’i ramatoa ben’ny tanàna foana ny hoe raha mbola misy olona iray adino ao anatin’ny kaominina dia mbola tsy mandroso izany ny kaominina. Raha hikatsaka ny tena fampandrosoana miainga avy eny ifotony mihitsy izany isika, izany hoe voalohany ny foto-pisainana, foto-panahy, toe-tsaina ary ilay miara-monina hoe tsy misy fisoloan-tena fa tomponandraikitra daholo na zaza na lehibe na tanora na zokiolona dia io Kianja maitso io isan’ny fototra azo iaingana tsara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique