Ankadimbahoaka ny fampirantiana manaraka eo anivon’ity tranoben’ny zavakanto ankehitriny ity toy ny efa fanaony isan-telo volana. “La nouvelle main” na “Ilay tanàna vaovao”, izany indray no lohatenin’ireto rantin-javankanto manaraka ireto, hoy ny fanazavana. Araka izany anarany izany ihany koa dia tanana mpanakanto vaovao azo lazaina hoe vao misandratra sy tanora nefa efa manan-talenta mampitolagaga no tompon’ireo vokatra aranty. 4 mianadahy izy ireo no hasongadina ary malagasy avokoa ka ahitana an’I Rose Kely Ranarivelo, Andy Rasoloharivony, Fitiavana Ratovo, Sanka. Amin’ny ankapobeny dia fanehoana an-tsary ny sehatra rehetra misy eto Madagasikara sy ny tontolon’izany hatramin’izay ka hatramin’izao no fonosin’ireo zava-kanto ho hita ao. Eo ny resaka politika, sosialy, hanina ny fahazazana, fitantarana an-databatra ny fiainana teo anivon’ny fianakaviana sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fanazavana sy fampahafantarana izany omaly. Raha te ahita akaiky ny antsimpirihiny kosa dia tongava eny an-toerana, hoy ny mpikarakara.
J. Mirija
Mitombo ireo karazan’olona manatona sy mandeha eny amin’ ireo