antsoina ihany koa hoe hasoavana. Mizara roa ny fomba fanaovana azy , eo ilay efa malaza hoe sady vita haingana no tsy manainataina be ary vetivety dia sitrana.Misy toerana 2 na 3 eto Antananarivo dia tena manomboka amin’ny 3 ora maraina ny filaharana hitondra ireo zazalahy kely hatao hasoavana.Fa mbola eo ihany koa ilay didim-poitra nentim-paharazana, ilay mbola miaraka amin’ny tahom-pary sy ny fakana ranomahery, avy eo misy fetifety ny hariva sy ny tontolo alina ary mbola mitohy lanonana ny ampitso tontolo andro. Ny eo an-tanàna aloha dia efa kotaba tsy ifandrenesana, « bal » mandra-maraina, tsy misy hira milantolanto izany. Misy fanairana tampoka amin’ny kiririoka izany, hany ka mitady hifangaro ny hoe manomboka ny fetin-didimpoitra sy ny hoe vonjeo fa misy mpangalatra.
MITERAKA FAHASORENANA, MAMPISAVOROVORO
Fa ny tena raharaha dia midina an-dalambe ny fianakaviana iray manontolo, mibahana arabe miaraka amin’ny bapampa sy ny dihy, matetika dia maromaro no efa tsy dia tompon’ny tenany intsony, efa nisotro ilay « rano mahery ». Tsy vitsy ny fifanolanana , misy miafara amin’ny ady sy fifampikasihan-tanana eo amin’ireo mpifety amin’ny didim-poitra sy ny olona hafa mampiasa ny lalana. Tsy misy rahateo ny filazana hoe manan-jo hibahan-dalana rehefa manao didimpoitra na manao famadihana, fa dia fomba amam-panao nisy efa elaela moa ilay izy dia nitohy. Efa nivoa tanteraka anefa ny zava-misy satria nitombo isa ben y isan’ny olona monina an-tanan-dehibe, nitombo ben y isan’ireo fiara mifamoivoy, niapy taxi moto, taxi bisikileta, sarety, posy. Ny lalana maro no simba hany ka tena mihitsoka ben y fifamoivoizana raha mbola ampian’ny mpifety didimpoitra izany. Tranga iray izay mila dinihina ihany satria fifaliana sy fahasoavana raha ny tokony ho izy no tanjona, kanefa mivadika ho fanakorontanana fiarahamonina sy miteraka savorovoro indray.
RTT
Mangina tanteraka ny Bazar de Noel taona 2024 karakarain’ny Kaominina Antananarivo renivohitra etsy Mahamasina.
Niverina amin’ny maha-mpanankato azy indray Rakotonirina Nantenaina,