airtel

kolontsaina

04-oct-2024

Fiaraha-miasa ara-kolontsaina

Hanamafy ny fifamatorana i Madagasikara sy Lafrantsa

Sample post image

Nihaonana tamin-dRamatoa Rachida Dati, Minisitry ny Kolontsaina Frantsay ny Delegasionina Malagasy

04-oct-2024

tarihin’ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina Malagasy Rtoa Volamiranty Donna. Natao amin'ny trano foiben'ny Minisiteran'ny Kolontsaina Frantsay omaly 03 oktobra. « Fihaonana izay nahitam-bokatra tsara nahafahana nanao sonia ny taratasy fifanekem-piaraha-miasa amin'ny tranombakoka sy ny vakoka eo amin'ny firenena roa tonta. », hoy ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera Malagasy. Nandritra izany ihany koa no nahafahana nanokatra ny fivoriamben'ny voamiera iombonana Frantsay-Malagasy ho an'ny fampodiana ny taolambalon'ny Mpanjaka Toera sy ireo mpiady maheriny, raha ny tatitra nataon’io Minisitra io. Hamafisiko ny fisaorana sy fankasitrahana amin-dRamatoa Minisitry ny Kolontsaina Frantsay tamin'ny fandraisana sy ny dinika natao. "Kolontsaina, vatofototry ny fampandrosoana", hoy hatrany Rtoa Volamiranty Donna.
Toky R

 

Dans la même rubrique