ny datin’ny Sabotsy 05 Aprily ho avy izao. Ankoatra ny fitoriana ny filazantsara hotanterahiny dia hisy ny fampisehoana goavambe hataony hiantsoantsoana fifohazam-panahy ho an’i Madagasikara. Loha-hevitra hitondrany ny hetsika ny hoe : Indro tazako ny fifohazam-panahy, hiarahany amin’ny Evangelistra Julien Georgette. Hanafana ny sehatra hiaraka aminy kosa i Henika, mpanankato ara-pilazantsara tsy zoviana amintsika intsony. Toraka izany koa i Pepe Shine, Bodokely raha hanao ny fanentanana kosa ry Dj Denis Jee sy Mc Aldo. Tanjon’ireto mpanankato ireto ny hikasihana ny fon’ny Malagasy indray mba hanakaiky bebe kokoa an’Andriamanitra. Hanomboka amin’ny 12 ora atoandro ny fampisehoana, tsy misy ny vidim-pidirana fa maimaim-poana.
Pati
Legende : Sady hahazo haim-panahy no ho voky fiderana amin’io fotoana io miaraka amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ireto !