airtel

kolontsaina

16-sept-2024

Fikambanan'ny Mpikabary Katolika

Namoaka ny andia Dominique Savio

Sample post image

Toy ny efa fanao isa-taona dia miisa 510 indray ny mpikabary nasandratra sy navoakan’ny fikambanan’ny Mpikabary

16-sept-2024

Katolika eto Madagasikara na ny «Mpikalo» tamin’ity taona 2024 ity. Teny amin’ny kianjan’ny Maki Andohatapenaka no nanatontosana ny lanonana ny sabotsy 14 septambra teo. Nisalotra ny andia Dominique Savio ireo andia vao nivoaka ireo. Ankoatra ny fizarana mari-pankatoavana sy ny lamba salotra ireo andia ireo dia nisongadina teny an-toerana ihany koa ny karazana fitafy sy kolontsaina maneho ny maha malagasy. Nambaran-dRakotomalala Réne, filoha nasionalin'ny Mpikalo fa hanao ny asa nanirahan’ny fiangonana azy izy ireo mpikabary vao nasandratra ireo ka hanatanteraka ilay teny fanevan’ny fikambanana manao hoe «Andrianiko ny teniko hitoriako ny vaovao mahafaly». Vahiny manan-kaja maro avy eo anivonin’ny fiangonana sy firenena no tonga teny an-toerana nanatrika ny lanonana tamin’io fotoana io. Teo ihany koa ireo fikambanana maro samihafa izay manandratra sy mivoy ny kolontsaina malagasy. Naharitra teo amin’ny 10 volana teo ny faharetan’ny fotoana nianaran’ireo andia ireo teny anivon’ny rantsana tamin’ny fiangonana Katolika ny tontolon’ny kabary malagasy sy ny fiainana maha Kristianina. Tarigetran’ny Mpikalo rahateo ny hitaona ny olona hanana fitondran-tena maontina sy mendrika amin’ny alalan’ny Kabary sy ny soratra masina. Nahitana sokajin-taona maro ireo mpikabary navoaka tamin’io fotoana io fa amin’ny ankapobeny dia tanora sy ankizy no tena betsaka. Nisy Relijiozy liana mahakasika ny Kabary. Karazana kabary maro no voafehin’ireo mpikabary vao nivoaka ireo, raha ny fanazavana voaray. Fandaharam-potoana manaraka ho an’ny fikambanana ny fitsofan-drano iombonan’ny rehetra mba ahaleo hahalasana ny mpikabary tsirairay amin’ny sehatra izay hikatrohany. Efa miparitaka manerana ny diosezy maro eto Madagasikara ny Mpikalo. Ireo mpikabary efa nandranto fahalalana sy navoaka tao no manana ny lazany amin’izao fotoana, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique