ankehitriny ny kolontsaina malagasy, hoy Razafindrabe Jean France Wisko na Rabejean Sodina vava. Tsy ny mpanao kolontsaina na mpitan-kazomanga na raiamandreny ara-drazana na anak’andriana ihany akory no tokony hitana izay hasin’ny kolontsaina malagasy izay, hoy izy, fa isika rehetra mahatsiaro tena fa malagasy mihitsy. Rehefa tsy isika mianakavy no miara-tonga saina dia tsy misy lehibe noho ny vato fa rehefa taingenan’ny vorona na angerezany mihitsy dia tsy afa-miteny. Tokony ho sarotiny isika hoe raha misy fikitihana ireny toerana vakoka na ara-kolontsaina ireny na azo tsapain-tanana io na tsy azo. Ny manam-pahefana no voalohany indrindra, ny minisitera mpiahy ny kolontsaina, isika mpanakanto, mpanao kolontsaina, ny mpitan-kazomanga, ny taranak’Andriana, Raiamandreny ara-drazana, olobe, sarambabem-bahoaka, tokony ho sarotiny amin’izay kolontsaina malagasy izay avokoa. Rehefa tsy sarotiny isika dia toy izao zava-misy ankehitriny izao no mitranga. Ny tenin’ny hafa no maha sarotiny fa tsy ny antsika. Ny «fito lahy, fito vavy» lasa «fy toa lahy, fy toa vavy». Ny toera-manan-kasina voazimbazimba. Manao ny ataony eto ny kolontsaina vahiny fa ny kolontsaina malagasy miha maty maso tsikelikely. Mampalahelo, ohatra, ny maheno hoe misy manangana toeram-pivavahana na «mosquée» eny Ambohitrandriananahary, Alasora. Tokony ho sarotiny amin’izany isika rehetra satria maha isika antsika ireny. Mirakitra ny tantarantsika ireny. Rehefa tsy azo tenenina dia ampiharo aminy ny lalàna satria manosihosy ny tany. Ny hasina maha malagasy antsika mihitsy no hosihosena anatin’izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mangina tanteraka ny Bazar de Noel taona 2024 karakarain’ny Kaominina Antananarivo renivohitra etsy Mahamasina.
Niverina amin’ny maha-mpanankato azy indray Rakotonirina Nantenaina,