airtel

kolontsaina

20-nov-2024

« Hafa Mihitsy »

Hanamarihana ny faha-5 taonan’ny Reko Band

Sample post image

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-5 taona nisiany ny Tarika Reko Band amin’izao.

20-nov-2024

Natomboka tamin’ny volana desambra 2023 tao amin’ny CC ESCA Antanimena izany. Efa nomarihana tao Antsahamanitra ary efa noentina tany am-pitan-dranomasina ihany koa. Ho famaranana ny fankalazana ho an’ny eto Antananarivo manokana dia mikarakara tetikasa iray goavana be izay efa nomanina nandritra ny volana maro ny Tarika Reko Band amin’ny alalan’ny seho « Hafa Mihitsy » ho an’ireo mpankafy nandritra izay 5 taona nisiana izay. Hetsika natao ho an’ny fianakaviana hoentina mamaramparana ny taona 2024, ny Alahady 22 desambra ho avy izao, ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Ny tapakila dia azo jifaina ny sabotsy 23 Novambra ao amin’ny Ketrika.com na eny amin’ny foiben-toerana Vidy Varotra rehetra : Ampefiloha, Ankorondrano, Soanierana sy ireo foiben-toeran’ny Ketrika.com : Andoharanofotsy, Ampasanimalo. Torak’izany koa eny amin’ny Phô Resto Ampasamadinika, Bypass, Ivato, Ankorondrano, Bel’air. Ho an’ny karatra famandrihan-toerana moa dia eny amin’ny Phô Resto Ankorondrano avokoa no ahitana izany. Ny Allianz no mpanohana ofisialy ny seho, mpanohana gold ny zava-pisotro Fresh ary ny isan’ireo mpanohana ihany koa ny Telma Madagascar. Mpiara-miasa amin’ny Tarika Reko Band ny Studio 58, ny KAJA eo koa ny Ketrika sy ny Phô Resto ary ny Fusion. Fifandraisana : 034 18 300 26.

Jenny
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Tafakatra 230 isa ireo zaza sahirana ahian’ny ONG Tsaramanasoa eny Ambavahaditokana Itaosy

Card image cap
19-nov-2024

Noraisina tamin’ny fomba makotrokotroka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly i Filamatra Matokia

Card image cap