Marika iray ahitana taratra ny fahapotehan’ny fanabeazana sy ny rafitra ara-piarahamonina tsy manana ny anjara toerany intsony izany, hoy izy. Rafi-piarahamonina fahiny misy ny hoe misy ny hoe raiamandreny sy zanaka. Tsy misy intsony izany. Miha mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka noho ny fisian’ny fitsarana tsy marina. Marika iray io ilazana hoe miha tsy matoky na tena tsy matoky ny vahoaka ankehitriny. Misy andraikitra tokony raisin’ny mpitondra fa indrindra ny mpanabe ao anatin’izay famerenana fiarahamonina vanona izay. Mila omena vahana ny fanabeazana. Vao tsy ela ny minisitra tomponandraikitra no nijery izany nandritry ny hetsika nokarakaraina teo amin’ny 2 andro teo. Nidina kokoa izao ny fari-pahaizan’ny mpianatra. Eo ny lafiny fahasahiranan’ny raiamandreny izay miteraka rarintsaina ho an’ireo mpianatra. Ny tebitebin’ny ankizy amin’ny mety fandoavana saram-pianarana. Rehefa tsy tafiditra sekolim-panjakana tsinona tsy maintsy miditra tsy miankina. Manaraka eny koa ny tsy fahampian-tsakafo miteraka fahalainana na hakamoana ho an’ny mpianatra. Tena sahirana ny raiamandreny ary tsy mahagaga ny mahita hoe rano no sotroina amin’ny atoandro ho an’ireo mianatra amin’ny ambaratonga ambony. Isany tokony jerena izay resaka fanohanana ara-tsakafo izay fa eo koa ny fivoarana amin’ny resaka fikirakirana tambazotran-tserasera. Mila ferana sy fehezina ny fampiasana an’io ary izahay mpanabe izao dia tsy mamela izany mihitsy anaty ora fianarana. Mila jerena ihany koa ny fampivoarana ny farim-piainan’ny mpanabe satria ireny no naha toy izao antsika nefa rehefa mitrosa eny an-tsena izy ireny ka vao fantatra hoe mpampianatra dia tsy mahazo noho ilay karamany iaraha-mahalala fa tena kely ka hanaovana antsoavo ny minisitra tomponandraikitra hatrany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija