airtel

kolontsaina

30-juil-2024

Hasin’ny Zazamanga

«Isan’ny kolontsaina ny dihy, mpanabe ny mpanakanto…»

Sample post image

Isan’ny tafiditra anatin’ny atao hoe kolontsaina izany dihy izany, hoy ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga.

30-juil-2024

Nanana ny dihy mampiavaka azy dia ny dihy nentim-paharazana ny malagasy, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Sarobidy Rakotondravao. Ankehitriny kosa anefa dia tonga ireo dihy avy any ivelany izay mamoafady no hanehoana azy, hoy izy. Tadidio fa ianareo mpanakanto dia isan’ny mpanabe, mpitaiza ka tokony ho hita amin’ny fihetsika, ny zavatra asehonareo eny an-tsehatra izay maha mpanabe anareo izay. Betsaka tato ho ato ny mpanakanto manaotao foana, indrindra, miseho amin’ny endrika mamoafady eny ambony sehatra ny zavatra ataony. Tadidio fa ny mpijery tsy voatery ho olon-dehibe daholo fa misy zaza na olona tsy mankafy izany dihy mamoafady izany. Miantso ny tomponandraikitra, indrindra, ny minisiteran’ny kolontsaina. Tokony hisy fampilazana na fandraràna ho an’ireo mpanakanto manao mamoafady ireny. Misy moa eto ny halako bika tsy tiako tarehy. Misy koa ny hananana hena-maso. Ny mahafehy azy angamba dia tokony hisy ny didy na fampahafantarana am-pahibemaso ho an’ny mpanakanto tsy an-kanavaka ho izao no tsy azo atao. Aorian’ny fampitandremana, aorian’ny didy dia tokony hisy amin’izay ny fanasaziana. Ankehitriny aloha izany dia fifampitaizana hoe tsy mety ireny ka tsy tokony atao intsony, hoy hatrany ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga. Tsiahivina moa fa ny fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka dia sazian’ny andininy faha 330 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana. Marina fa malalaka ny serasera kanefa tsy tokony ampiasaina hizarana sary na fanehoana mamoafady izay manohintohina ny filaminan’ny be sy ny maro, raha ny voalazan’ny andininy faha 6, faha 26 ary faha 31 ao amin’ny lalàna 2016-024. Manampy izany koa moa ny voalazan’ny lalàna 2020-006.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique