airtel

kolontsaina

09-août-2024

Kilalaon-tsaina vaovao

Namorona daomy misy «double 8» Razakavola Gabriel

Sample post image

Anisan'ny kilalaon -tsaina mahasarika sy andanian'ny fianakaviana andro ny milalao daomy.

09-août-2024

Hatramin'izay dia daomy manana marika ambony indrindra 6 in-droa miverina na "double 6" no filalaon’ny mpianakavy sy ny mpinamana. Ankehitriny kosa dia namorona kilalaon-tsaina vaovao, izay lalao daomy ihany saingy ahitana isa 8 in-droa miverina fara faha amboniny kosa, izany hoe " double 8" i Razakavola Gabriel, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ho an'ity daomy ity dia lasa miisa 45 ireo vato lalaovina. 9 ny eny an-tanana ary mitombo, lasa miisa 4, ny mpilalao. Nandritry ny fotoana fihibohana noho ny fipariahan’ny aretina COVID 19 no namoronan’ity malagasy ity izany lalaon-tsaina vaovao izany, raha ny fanazavany. Ny hirariana moa dia ny mba hipariahan’izany kilalaon-tsaina vaovao, izay heverina fa tokony ho reharehan’ny firenena malagasy izany, maneran-tany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique