airtel

kolontsaina

11-mars-2025

Manda aron’ny maha gasy

«Fiarenana no ilaintsika!»

Sample post image

Antony nananganana ny Manda aron’ny maha gasy ny hoe «sauvegarde du patrimoine culturelle

11-mars-2025

immatérielle et de l’identité malagasy», izany hoe fiarovana ny vakoka ara-kolontsaina tsy tsapan’ny tanana sy ny maha izy azy ny malagasy, hoy ny filohany, Joséphin Andriandrainarivo. Miainga avy amin’ny foto-pisainana izay misy ny kolontsaina mamatotra ny malagasy dia ny hoe fihavanana izany, hoy izy. Tsy lalàmpanorenana akory, noho izany, ny rafi-panarenana ilaina tenenina eto fa ilay rindran-damina iaraha-miaina maha izy azy antsika malagasy izay voakorontana vokatry ny zavatra maro isan-karazany toy ny politika politisianina sy politikam-panjanahana, ny fiankinan-doha, ny resaka ara-pivavahana fampironana ny sain’ny olona tsy amin’ny maha izy azy ny taniny fa amin’ny endri-javatra toa nofinofy any ivelany. Ireny no mahatonga antsika mahantra ara-toetsaina nefa olona manankarena toetsaina. Mahantra tsy afaka mivelona amin’ny maha izy azy ny taniny sy ny tontolo iainany nefa isika manana izany eto amin’ity tanintsika ity. Raha miainga amin’izay ny famerenana ny hasina maha izy azy, izany hoe hahatongavana amin’ny tena fiandrianam-pirenena sy tena famokarana ara-toekarena mifandraika amin’ny maha izy azy ilay tanintsika, maha mendrika ny maro an’isa amin’ity tanintsika ity dia izay ilay imatimatesan’ny Manda aron’ny maha gasy ary iombonana amin’ireo mitovy fijery rehetra eto amin’ity tany Madagasikarantsika ity. Zavatra miisa 2 no tsara tsiahivina amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia ny fampodiana ny kabeson’ny mpanjaka iray, izay isan’ny lasibatry ny fanjanahantany teto amin’ity tanintsika ity dia ny mpanjaka Toera izay nanjaka tany amin’ny sakalava tany. Eo am-piketrehana ny famerenana an’izany izao ny taranany sy ny fitondràm-panjakàna. Ny famerenana azy io dia mbola ifandrindràna be. Ifampierana amin’ny pitsopitsony amin’ny fitondràna vahiny, izay nanapaka ny lohany, ary nentina any aminy nandritry ny taona firy izay. Ny rindran-damina mifanaraka amin’ny kolontsaina malagasy, indrindra, ilay taranaka sakalava, izay foko, ny nialany teto sy hamerenana azy dia manana endrika singa famerenana ny fahaleovantena izany. Ny fironan-tsaintsika manoloana izany dia tokony ho ohatran’ireny Barea tamin’ny CAN 2019 ireny raha hiverina eto Madagasikara. Eo koa ity vaninandro na fomba amam-panao, taom-baovao malagasy, alahamady be sy ny hafa izay mifanojo amin’ny andro iray na 2 sy 3 amin’ity taona ity ary mifarana amin’ity volana martsa ity. Indrisy fa tokony hampiray hina izany rehetra izany na tsy hisiana adihevitra intsony fa miezaka maneho ny maha izy azy an’i Madagasikara amin’ny lafiny kolontsaina, indrindra fa ilay fihavanana sy firaisam-pirenena. Mbola mampiady hevitra hatramin’izao nefa ny andro efa nataon’Andriamanitra tokony hiaraha-mankalàza izao. Tsy azo moramora ny fiarenana eto amin’ity tany ity ary fiarenana no ilaintsika fa tsy fiovàna mba hanarenana ny maha izy azy ny hasina maha malagasy antsika! Andeha ho asehontsika amin’ny porofo velona dia ireo vanim-potoana miisa 2 lehibe hiseho ato ho ato ireo io ny firaisankina maha malagasy antsika! Aoka izay ny fifanipatsipahana izay mampalemy antsika eo anatrehan’ny hevi-petsin’ny mpanjanaka rehetra eto amin’ity nosintsika ity, hoy hatrany ity fikambanana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Mitombo ireo karazan’olona manatona sy mandeha eny amin’ ireo

Card image cap