airtel

kolontsaina

24-sept-2024

Mozika jazz

Hanolotra seho goavana i Lalatiana

Sample post image

Azo ambara ho nametraka ny dian-tanany sy tena sangany raha mbola andriambavilanitra mpiangaly

24-sept-2024

mozika jazz teto Madagasikara izany Lalatiana izany. Azo lazaina ihany koa fa hanolotra seho goavana eto an-toerana izy ny faha 20n’ny volana oktobra izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, raha ny fampahafantarana nataony hatreto, izay nilazana moa fa ho fantatra tsy ho ela ny andinindininy momba izany. Hoavy eto an-tanindrazana indray, araka izany, ity tompon’ny feo, raha samy andriambavilanitra na «diva» malagasy ity, hoy ny filazantsika azy. «Alina indray», «Nanonofy», «Avelao», santionan’ireo hira nahalalana izany antsoina hoe Lalatiana izany, asa hanao ahoana indray ny tsirony 20, 30 taona aty aoriana aty!!?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique