airtel

kolontsaina

16-oct-2023

Mpanakanto Nate Tex

“Mahonena sy mampitomany ny zavatra miseho”

Sample post image

rehefa tena nandinika tena nandinika tena izy aho androany. Nivoaka ny trano ka nahita mivantana ny tena zavatra

16-oct-2023

misy anaty hetsika am-pilaminana sy ireo voakarama ankilany mitorabato sns... Dia nanapa-kevitra ny tsy hiteny intsony mihitsy amin'izay aho aorian'ito satria tena mahonena mampitomany, mampandadilady amin'ny tany ny zavatra miseho”, hoy ny mpanakanto Nate Tex ny sabotsy teo, raha naneho ny heviny momba ny raharaharam-pirenena. Tena hoe tsy hananako ireo teny hanazavako azy, hoy izy, ka na himenomenona eto foana aza aho dia tsy ho ren'ireny olona (voakarama) ireny mihitsy satria na hanina hohanina androany aza ny azy tadavina rahampitso. “Nampalahelo ahy ilay rangahy tratra nitoraka teo amin'ny Ma-TV nataon'olona fitsaram-bahoaka. Eny, tsy milay ilay asa nataony fa asa foana anefa iny, mino loatra aho fa misy ankohonana noana sy mosarena tao ambadikin’iny zoky iny. Niandry ihany aho teto hoe mba hisy “partisans”-ny hiady hevitra sy sahy hijoro hanazava ny antony hanarahany azy fa tsisy, tsisy lehity ah”, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Nahitsy I Nate Tex naneho fa na hoe iray amin'ireo mpanakanto manohana azy ka manana antony ankoatran'ny vola anefa tsisy koa , tsisy lehity ah,… Ry zalahy aza moa, hoy izy, tsy mi-“partage” ny “clip”n'i zoky ao amin'ny pejiny akory. “Fa ny tena fositra tompoko dia i Cédric. i Cédric sy ny aliaka masiakany. Aza kakerina intsony aho fa efa maratra. Izay mpanaraka ahy rehetra ato ka mpino ninon'inona finoanao. Andao hitondra am-bavaka (tena matotra aho) an'ity firenentsika ity, na tonom-bavaka iray fotsiny aza ho an'ny anio, fa ny vavaka manova zavatra”, hoy ny mpanakanto Nate Tex naneho ny fahatsapany ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny.

Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique