tanterahin’ny tarika Viavy Chilla sady manager-n’i Lorazy mpanankato vao misondrotra avy ao Nosy Varika. Nanomboka ny Talata 04 Martsa lasa teo mantsy ny tenany dia tsy napetraky ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana raha ny fitarainany noho ny fisian’ilay fampisehoana hotanterahina tsy miato ao amin’ity distrika iray ity ihany manomboka ny 16 Martsa ho avy izao hosantarin’i Viavy Chilla. Efa nahazoany alalana avokoa anefa ireo karazana fampisehoana hotanterahiny ireo avy amin’ny tompon’andraikitry ny kaominina isan-tsokajiny raha ny taratasy teo am-pelatanany nasehony ny mpanao gazety. Ny alin’io 04 Martsa io dia fantatra fa nisy mpitandro ny filaminana efa-dahy tsy nanao fanamiana ary nitondra basy no tonga tao amin’ny trano nivantanany nitady azy. Nanjavona tamin’izany raha ny fanazavany ny sakaosy nisy lela-vola 12 tapitrisa Ar sy tapakilan’ny tarika Viavy Chilla saika hamidy miisa 10.000. Talohan’io dia efa nantsoin’ny lefitry ny CB an-telefaonina izy mba hanatona ny birao saingy tsy nanaiky noho ny tsy fahazoany ny taratasy fiantsoana. Nilaza mantsy io manager-n’ny tarika Viavy Chilla io fa tsy afaka manatona izy noho ny asa goavana tanterahiny amin’ny fametahana afisy… entina hampahafantarana ilay fampisehoana. Tsy fantatra izay antony noho izany raha ny fitarainany fa nisy nitazona ny fiara nampiasainy saingy navotsotra ihany avy eo. Tsy nijanona teo ny raharaha fa mbola nisy naka ihany koa ny tongolo 2 taonina saika hamidin’Atoa Theophile tany Nosy Varika ambin’ilay 1 taonina efa lafo, fananany nisy taratasy mazava nentiny avy aty Antananarivo. Namoahan’ny mpitandro ny filaminana filazana fikarohana tamin’ny radio indray Atoa Theophile taorian’izay hoy izy fa izay mahita azy dia omena 100.000 Ar ary izay mampiantrano azy kosa dia mpiray tsikombakomba aminy. Notsiahivin’Atoa Theophile moa fa lazain’ireo mpikarakara fampisehoana any an-toerana fa vahiny izy ka tsy tokony hanao zavatra any ary ezahiny simbaina. Efa nisy ihany koa ny fikasany hafa haka mpitandro ny filaminana hafa mandritra ny fampisehoana, antony mety ho nisian’izao tranga mampalahelo izao raha ny vinavinany. Miantso ny mpitondra fanjakana mba hijery akaiky ireo mpitandro ny filaminana ao Nosy Varika araka izany ny tenany mba hijery akaiky ny fanararaotana sy ny fanamparam-pahefana hataon’izy ireo.
Pati
Legende : Atoa Theophile Rajaonarison, mpikarakara ny fampisehoana tanterahin’ny tarika Viavy Chilla manerana ny Nosy !
Mitombo ireo karazan’olona manatona sy mandeha eny amin’ ireo