airtel

kolontsaina

04-sept-2024

Nostalgic's Group

Hamelona ireo hira tsy tontan’ny ela hatrany

Sample post image

Ny Nostalgic's Group dia niorina tamin'ny taona 2010, hoy ny fampahatsiahivan’ny mpihira ao anatin’ity tarika

04-sept-2024

mpanafana lanonana ity, Njaka Randria. Nampiaina ireo hira fahiny nanomboka ny taona 1960 ,1980 , 1990 izahay, hoy izy. Tanjona ny hamelona sy hampiaina indray ireo kalo fahiny, na vahiny na ny eto an-toerana, ary hanome ihany koa fahafaham-po ho an'ireo olon-dehibe na ireo mpakafy ireo hira taloha. Manome fotoana anao ary ny Nostalgic's Group ny 28 septambra 2024 ao amin'ny Happy Zone Avaratr’Antanimora ho avy hanotrona izany. Hisy ny tapakila hidirana ary mbola handray anao ao ihany koa ny Resto Happy zone amin'ny sakafo mafilotra izay tsy handiso fanantenana anao, hoy hatrany ny fanazavan’i Njaka Randria, izay nanamafy fa hamelona ireo hira tsy tontan’ny ela hatrany izy ireo amin’io fotoana io.
J. Mirija 

Dans la même rubrique